Faha 7

1 Endre ny hatsaran'ny tongotrao akao am'kapanao ry zanaka vavin'ny andrian-dahy. Salan'ny firavaka ny amboaram-peonao, asa tagnan'ny mpagnano asa-tagnana mahay. 2 Ny foitranao de salan'ny tamaboha boribory, tsy ho ory divay voaharo ane zany. Ny kibonao de salan'ny vary tritrika mitoby voahodidigna lilia. 3 Reo nononao rôy de salan'ny zanaka serfa rôy gazela kambana. 4 Ny vozognao de salan'ny tilikambo ivory, ny masonao de salan'ny kamory aigny Hesbona akeo am-bavahadin'in Bata Rabima. Ny orognao de salan'ny tilikambo aigny Libanona ze mitodika mankaigny Damaskosy. 5 Ny lohanao de salan'ny Karmela , ny volon-dôhanao de volom -parasy matroka. Babon'ny randran'zany ny mpanjaka. 6 Endre tsara tarehy sady maha te ho tia anao ry le malala mafinaritra anao. 7 Ny tsangananao de salan'ny an'ny palma, ary ny nononao de salan'ny sampam-boankazo. 8 Nieritreritra za hoe: Te hagnanika an'zan palma zany za; magna mafy an'reo rantsagny: ôka reo nononao ho salan'ny an'reo sampam-boaloboka, ary ôka ny fameroveron'ny orognao ho salan'ny peso. 9 Ôka ny vavanao ho salan'ny divay tegna tsara, mikorigna moramora am'malalako, misosa akeo am'molotrao sy ny nifintsika. Le gaombavy miteny am'ny ôlon-tiany. 10 An'ny malalako za, ary magniry an'izy. 11 Ave, ry malalako, andao tsika hiaraka ho aigny ambanivotra; andao tsika hatory aigny am'reo tanàna. 12 Andao tsika hifô ampolakeka ho aigny antani-boaloboka; andao zahantsika raha mitsimoka reo voaloboka, raha misokatra reo vogniny, ary raha mamogny reo ampongabendanitra. Aigny no hagnomezako an'nao ny fitiavako. 13 Mamerovero aok'zany reo mandravasarotra, akeo am-baravaragna ze itoerantsika ny karazam-boankazo daoly, ny vao sy ny ela ze efa notehiriziko ho anao ry malalako.