Faha 6

1 Nankaiza ny malalanao,ry tegna tsara tarehy am'veivavy? Nizotra nankaiza ny malalanao, mba hikaranay an'azy miaraka aminao? Mikoragna am'tegnany le gaombavy. 2 Ny malalako de efa nidigna nankaigny am'sahany ho aigny am'farafaran-java-magnitra, mba hiraotra agny am'saha sy hitango an'reo Lilia. 3 An'ny malalako za ary anà ny malalako; hiraotra akeo am'reo lilia am-pifalena izy. Le tian'le veivavy miresaka aminazy. 4 Tsara tarehy salan'ny Tirza anao ry teko, maha te ho tia sala an'i Jerosalema, mampisy aingam-pagnà n'y tafika miaraka am'fanevany. 5 Avilio amina ny masonao, fa nanafotra anà zareo. Ny volonao de salan'nynomby aman'osy avy midina avy aigny am'reo tevagn'ny Tendrombotran'i Gileada. 6 Ny nifinao de salan'ny andiana omby vavy miakatra akeo am'reo tôrana fisasana. Samy magnana ny kambana aminazy tsiraikeraiaka ary tsisy banga reo. 7 Reo takolakao de salan'ny silak'ampongaben-dagnitra akao ambadiky ny voalinao. Le tian'le veivavy miresaka am'tegnany. 8 Misy mpanjakavavy enimpolo, vadikely valopolo, ary gaombavy tsy hita isa. 9 Ry voromelalako, ry madioko, le hany tokako; izy de vavy tokan-dreniny; izy no tegna tian'le veivavy ze niteraka an'azy; reo zanaka vavin'ny ôla ao tanànako raha natazagna an azy de nagnantso an'azy hoe sambatra; reo mpanjaka vavy sy reo vady kely kô de nahita ka nidera an'azy. Zao no lazain'ny mpanjaka vavy sy ny vady kely. 10 "Iza ma io miseho ôtran'ny magnambahamba, tsara tarehy ôtran'ny volana, mamirapiratra ôtran'ny masoandro, mampisy aingam-pagnà ôtran'ny tafika miaraka am'fanevany?" Le tian'le veivavy miresaka am'tegnany. 11 Nidigna taigny am'reo ala kely misy hazom-bazana za mba hijery ny tsiry vaovao aigny an-dohasa, mba hijery raha mitsimoka reo voaloboka, ary raha namogny ny ampongabendanitra. 12 Tegna faly za ka natsapa ôtran'ny hoe: nitikina ny kalesan'ny andrian-dahy. Ny tian'le veivavy miresaka aminazy. 13 Miviregna, miviregna, anao ry veivavy tonga lafatra;miviregna, miveregna mba ahafako mandinika an'nao. Le gaombavy miresaka am' le tiany. Nagnino anao no mandinika anà le veivavy tonga lafatra, salan'ny hoe mandihy akeo agnelagnelagn 'ny mpandihy rôy an-dalana za?