1
Tonga tao an-tsahako za, ry tavako, ry le ampakariko; efa nagnangona ny mioroko sy ny zava-magnitra ze efa hihinana ny tohontinteliko ary ny tinteliko za; efa nisotro ny divaiko sy ny rononoko za. Ozy reo sakaiza mikoragna am'reo malala mihinàna; ry sakaiza, misotroa ary ôka ho mamon'ny fitiavana. Ozy le gaombavy mikoragna am'tegnany.
2
Nandry za, nefa ny foko de nofô tao agnaty nofy. Zany ny feon'ny malalako mandondogna any ary magnano hoe:" voaho za ry tavako, malalako ry voromailalako, ry madioko, fa kotsan'ny ando ny lôhako, feno andron'ny Alina ny voloko."
3
"Efa hagnalà ny akanjolavoko za; de tsy maintsy hagnano an'zany ndre ma? Efa nosasako ny tongotro de tsy maintsy ho lotoviko ndre ma?"
4
Nampiditra ny tagnany teo am'fisokofan'ny hidim-baravaragna ny malalako, Ary nientanentana ho an'azy ny foko.
5
Niarigna za mba nanokatra ny varavaragna ho an'ny malalako ; nitete miora ny tagnako, nisy ranona miora ny rantsan-tanako teo am'famoaham-baravaragna.
6
Nanokatra ny varavaragna ho an'ny malalako za, nefa niodina ny malalako ka nande. Difitra ny foko; nanjary kivy za. Nikaraka an'azy za nefa tsy hitako izy; nagnantso an'azy za nefa tsy namaly anà Izy.
7
Reo mpiambina ze nande tam'tanàna nahitana anà; novono-jareo za ary noratrainy. Reo mpiambina tel am' manda nagnala ny fifadena taminà. Ozy gaombavy nikoragna tam'reo veivavy tao an-tanàna.
8
Zao no ataoko ho an nareo ry zanaka vavin'i jerosalema, fa raha hitanareo ny malalako de lazao an'azy fa marary noho ny fitiavako an'azy za. Ozy reo veivavy tao an-tanàna nikoragna tam're gaombavy.
9
Nagnino ny malalanao no tsara noho ny malalan'ny hafa, no de mangataka an'ray hagnano fianianana salan'zao anao? Ozy ré gaombavy nikoragna tam'reo veivavin'ny tanàna.
10
Ny malalako de mamiratra sady mena tsy manam-paharoa am'reo agn'aliny.
11
Ny lôhany de volamena tegna tsara; ny volony de olioly sady mainty salan'ny goaka.
12
Ny masony de salan'ny voromailala ankekin'ny rian-drano, nosasana tam'ronono, natohitohy ôtran'ny firavaka.
13
Reo takolany de salan'ny fandren-java-magnitra, mamokatra hagnitra mamerovero. Ny molony de Lilia, mitete miora.
14
Reo sandriny de voahodidigna volamena natao firavaka, ny kibony de ivory voarakotra safira.
15
Reo tongony de andry vita am'marba, mifototra am'volamena tsy mifangaro, ny endrigny de sala an'i Libanona, tsiriritina salan'ny sedera.
16
Ny vavany de tegna mamy, tegna matehotia izy. Zany ny malalako, ary zany ny sakaizako, ry zanaka vavin'i Jerosalema.