Faha 4

1 Endre, tsara tarehy anao ry malalako ; tsara tarehy anao de voromelala akao ambadiky ny voalinao. Ny volonao de salan'ny andian'osy midigna avy aigny an-Tendrombotran'i Gileada. 2 Ny nifinao de salan'ny ondry vavy avy nitezanana, miakatra avy am'tôrana fandrôna. Samy kambana avy reo tsisy banga. 3 Ny molotrao de salan'ny kofeha jaky mahatehotia ny vavanao. Salan'ny silak'ampongabendagnitra ny takolakao akao ambadiky ny voalinao. 4 Ny vozognao de salan'ny tilikambon'i Davida voaorina aigny am'filaharam-bato, miaraka amin'ny ampinga arivo mihantogna akeo am'zany de ny ampingan'reo maramila daôly. 5 Ny nononao rôy de salan'ny diera roy, gazela kambana miraotra akeo am'reo lilia. 6 Mandrapatongavan'ny magnambahamba ka milefa alavitra ny aloka de hande ho aigny an-Tendrombotran'ny miora sy aigny am'tanetin'ny didin-kakazo magnim-pofona za. 7 Tsara tarehy am'lafiny daôly anao, ry malalako ary tsisy kilema aminao. 8 Miaraha aminà avy aigny Libanona, ry le ampakarina. Miaraha aminà avy aigny Libanona ; tongava avy aigny an-tampon-Amana, avy aigny an-tampon-Senira sy Hermona, avy aigny an-davaky ny Liona, avy aigny am'tendrombotro lavaky ny Leopara. 9 Lasanao ny foko ry havako , le ampakariko; lasanao ny foko tam'fijery raika fôgna taty aminà tam'firavaka raika teo am'vozognao. 10 Endre ny hatsaran'ny fitiavanao ry havako, ry le ampakariko ! Endre ny hatsaran'ny fitiavanao mihôtra ny divay sy ny fameroveron'ny ranomagnitra mihôtra noho ze zava-magnitra daôly. 11 Ny molotrao, ry le ampakariko de mitete tintely; tintely sy ronono no akeo ambanin'ny lelanao, ny fameroveron'ny akanjonao de salan'ny fameroveron'i Libanona. 12 Ry havako, saha voahidy le ampakariko, eny saha voahidy, loharano voatombo-kase. 13 Ny sampagnao de ala kelin'ampongaben-dagnitra misy voankazo voafantina, ary moira sy narda. 14 Eny, narda sy safrona, veromagnitra sy kanelina miaraka am'reo karazagna hagnitra dahôly, de miora sy havozo miaraka am'reo zava-magnitra tegna tsara dahôlo. 15 Sahan-doharano anao , fantsakan-drana madio, rian-drano mikorigna avy aigny Libanona, le gaombavy miteny am' malalany hoe: 16 Mifoheza, ry rivotra avy aigny avaratra; ave, ry rivotra avy aigny atsimo; tsofy ny sahako mba hampiely ny fameroveron'ny fofony magnitra. Enga ane ka ho tonga akao am' sahany ny malalako ka hinana ny sasagny am' voankazo voafantina.