Faha 3

1 Amin'ny alina akeo ampandrenako de magniry an'le raika ze tèko za, nikaraka an'azy za, nefa tsy hitako izy. 2 Ozy za tam'tegnako hoe: "hitsangana za ka hande aigny am'tanàna, am'reo lalana sy kianja hikaraka ny malalako za". Nikaraka an'azy za nefa tsy nahita an'azy. 3 Tazagn'reo mpiambina za raha nagnodidina ny tanàna zareo. Nagnontany an'azy reo za hoe: "hitanareo ma ny malalako ?" 4 Fotôna vitsy tafaran'ny nandalovako teo aminjareo no nahitako an'le tian'ny fagnàko. Nitàna an'azy za ary tsy namela an'azy nande madrapitondrako an'azy taigny andragnon'ny reniko, akao amin'ny efitragno fandren'le niteraka anà, le veivavy mikoragna am'reo veivavy hafa. 5 Teko hianiana anareo, ny zanaka vavin'ny leilàn'i Jerosalema am'reo Gazela sy reo vokatr'reo saha, mba tsy ho tapanareo ny fiarahanay mandry raha tsy vita zany. Le gaombavy miteny am'tegnany. 6 Ino regny miakatra avy am'tany efitra ôtran'ny tangoron-tsetroko magnim-pofona miora sy didin-kakazo magnitra miaraka am'reo vovoka daôly am'mpivarotra regny? 7 Indro, ny fandrenan'i Solomona zany, mpiady enim-polo no nagnodidigna an'zany, de reo miaramila enim-polon'Israely. 8 Havanana am'sabata zareo ary mahay miady. Managna ny sabany aigny amin'ny andilagny avy ny ôla daôly mitampiadena hanotra ny fampiorohoron'ny alina. 9 Nagnano seza filanjana vita tam'kakazon'i Libanona ho an'azy Solomona mpanjaka. 10 Ny tsanganan'zany de vita am'volafotsy; ny lakambony de vita am'volamena, ary ny fipetrana tam'fitafy volom-parasy. Ny tao agnatin'ny de nampiaingôn'reo zanaka vavin'reo leilan'i jerosalema. 11 Mivoaha ry zanaka vavin'i Ziona ary mandiniha an'Solomona mpanjaka, mitondra ny Satro-boninàtra ze nampisatrôn'ny reniny an'azy tamin'ny andron'ny fanambadeny, tamin'io androm-pifalen'ny fiaignany io.