Faha 2

1 Za de voninkazo aigny am'lemaka fôgna, Lilia aigny am'lohasaha fôgna kô, le leila de mikoragna amin'azy. 2 Salan'ny lilia akeo am'reo tsilo, de ôtran'zany anao, ry tiako, akeo am'reo zanaka vavin'reo ôlon'ny tanànako. Le veivavy de mikoragna am'tegnany. 3 Salan'ny kakazo peso ze akeo am'reo kakazon'ala, de ôtran'zany kô ny ôlon-tiko akeo am'reo gaondahy. Mipetraka akeo ambanin'ny aloka amin'ny hafaliam-be za, ary ny vôny de mamy akeo am-bavako. 4 Mitondra anà aigny am'tragno am'fanasam-be izy, ary ny fanevany aminà de fitiavana, le veivavy mikoragna am'le tiany. 5 Velomo am'mofo mamy misy voaloboka za ary velombelomo am'peso, fa mararim-pitia. Le veivavy de mikoragna am'tegnany. 6 Ny tagnany ankave de akeo ambanin'ny lôhako, ary ny tagnany ankavanana de namina anà, le veivavy de miresaka veivavy hafa. 7 Teko mba hampagnantena anareo, ry zanaka vavin'i jerosalema am'gazela sy reo serfa vavy aigny an-tsaha, fa anareo de tsy hanafaka ny firaisana ara nofonay raha tsy tapitra zany. Le veivavy de mikoragna am'tegnany. 8 Zany ny feon'le teko! Endrey igny avy igny izy, mandingandingana an'reo Tendrombotro, mitsambikina am'reo tanety. 9 Le malalako de salan'ny gazela na diera mbôla tanora; indro, izy de mitsangana akao ambadiky ny rindrignay, mitazagna akeo am'varavaran-kely, mipoitra am'mangarakaraka. 10 Mikoragna aminà le malalako magnano hoe: "Mitsangàna, ry le tèko; Ry le tsara tareko ndao hiaraka aminà. 11 Indro, efa lasana ny ririnina; efa nanangana ny orana ary efa lasana. 12 Efa mitsiry am'tany reo voninkazo, efa tonga ny fotôna fandrantsagnana sy ny siokan'reo vorogna, ary ny feon'reo domona de regny aty am'tanintsika. 13 Magnamasina ny aviavy reo kakazon'aviavy, ary mamogny reo voaloboka mamôka ny hagnitra zareo. Mitsangana ry tèko, ry le tsara tarehy ary andao. 14 Ry voromailalako, akeo antsefatsefaky ny vatolampy, akeo antsefatsefaky ny Tendrombotra sy harambato, de avilay hatazagna ny dndrkao za. Avilay haregny ny feonao za, fa malefaka ny feonao, ary mate ho tia ny endrikao, le veivavy de miresaka am'tegnany. 15 Samboro ho antsika ny ambôhaolo, de reo ambôhaolo mbôla kely ze mamotika an'reo tanim-boalobotsika satria mamogny ny voalobotsika. 16 Anà ny malalako ary anazy za, minana aigny am'reo lilia amin-kafalena izy. Le veivavy miresaka am'le tiany. 17 Mandiana, ry malalako alôhan'ny rivotra malefaka mitsotro am'mangiran-dratsy sy reo talinjogna mandalo. Mandiana, ôka ho salan'ny gazela na diera mbôla tanora am'reo tendrombotra mikitôntôgna anao.