Faha 8
1
Iriko ho ôtran'ny anadako anao, ze ninono tam'nonon-dreniko anao. Ary na Aiza hatazagnako an'nao akaigny avelany, de afaka magnoroka an'nao za, Ary ts hisy ôlo hagnano tsinontsino anà.
2
Ho taritiko ary ho entiko aigny andranon'ny reniko anao, ary de hampianarinao za. Ameko divay mifangaro zava-magnitra ho sotrona s'y ampahany am'ranon'ampongabendanitra anao. Niresaka tam'tegnany le gaombavy.
3
Ny tagnany ankave tel am'lôhako Ary ny tagnany ankavanana namina anà. Nikoragna am'reo veivavy hafa le veivavy.
4
Tiako nianiana anareo ry zanaka vavin'i Jerosalema, fa tsy hanapaka ny fiarahanay mandry anareo mandrapa vitany. Reo veivavin'i Jerosalema nikoragna.
5
Iza ty avy magnatogna miakatra avy aigny agn'efitra miankina am'malalany ty? Nikoragna am'le malalany le gaombavy namôha an'nao teo ambany peso za, teo am'nanorontoronin'ny reninao an'na, teo am'niterahany an'nao, namoahany an'nao.
6
Atôvo ôtran'ny tombokase akao am-ponao za, ary ôtran'ny tombokase akeo am'sandrinao, fa mahery ôtran'ny fahafatesany ny fitiavana. Ny firehetan'ny fahasarotam-piaro de tsy mamela mahazo ôtran'ny fiaignan-tsy hita, mandoro ny lelan'afony, lelan'afo miredareda zany, lelan'afo mamay noho ny afo daôly.
7
Reo rano magnonja tsy mafaty ny afon'ny fitiavana, na reo tondra-drano tsy mahazaka an'azy. Raha misy ôlo magnome ny fanagnany daôly akao an-dragnony hamidy fitiavana,de atao tsinotsino zany.
8
Managna zandry vavy zahay, ary tsy mbôla mitsiry nono izy. Ino no azonay atao ho an'anabavinay amin'ny andro ze hanolorana an'azy am'fanambadena.
9
Raha manda izy, de hangananay tilikambo vita am'volafotsy akeo antampony. Raha varavaragna izy, de ho tampenanay am'kakazo sedera fisaka.
10
Manda za, fa am'zao reo nonoko de ôtran'ny tilikambo fiarovana mafy. Ka tegna efa matoy tokôtra za akeo amasony.
11
Nanagna tanim-boaloboka tao Bala-hamona i Solomona. Nahofany tam'reo ze te hikarakara an'zany ny tanim-boaloboka. Ka de tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra, isanisany avy.
12
Anà tokôtra ny tanim-boaloboka, sekely arivo de an'nao ry Solomona malalako, ary ny sekely roanjato ho an'ze mpikarakara an'zany mba azahôna vokatra.
13
Anao ze mipetraka akeo antsaha, reo sakaizako nihaino ny feonao. Avilay za mba agnisan'ny ze maregny an'zany kô.
14
Malaky, ry malalako ôka anao mba ho ôtran'ny gazela na ny diera tanora aigny an-tendrombotran'reo zava-magnitra anao.