Faha 9

1 Nagnambôtra ny tragnony manokana ny fahendrena; nagnano asa sokitra andro fito avy tam'vatolampy izy. 2 Namono an'reo bibiny izy; nampifangaro ny divainy izy; ary nametraka ny latabany. 3 Nagniraka an'reo mpiasa an-dragnony izy; nagnantso taigny am'reo tôrana agnambo ben'ny tanàna izy hoe: 4 "Iza no bado? Ôka izy hagnatogna aty!" Ho an'ze tsy ampy saigna tsara no nitinenany. 5 "Ave, hohano ny hahaniko, ary sotrò ny divay nafangaroko. 6 Lôso-reo fihetsikao bado ary miveloma; mandiana am'lalan'ny fahazavan-tsaigna. 7 Na iza na iza magnanatra ny mpaniratsira de handray fagnararaotana; ary na iza na iza hitare mafy ny ratsy fagna de handray an'reo faniratsiràna. 8 Aza magnanatra ny mpaniratsira, raha tsy zany de ho halany anao; 9 anaro ny ôlon-kendry, de ho tèny anao. Magnomeza ny ôlan-kendry, de hanjary hitombo ho hendry izy; ampianaro ny ôlo-marina, de hagnampy ny fianarany izy. 10 Ny fahatahôrana an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena, ary ny fahalalana an'Le Masina no fahazavan-tsaigna. 11 Fa amin'ny alalako no hampitombo ny andronao; ary hagnampeko taona maro ny fiaignanao. 12 Raha hendry anao, de hendry ho an'ny tegnanao ihany, ary raha maniratsira anao, de hitondra an'zany am'tegnanao ihany." 13 Ny veivavin'ny adalàna de tsy mahalala, tsy nobeazina izy ary tsy mahafantatra na ino na ino. 14 Mipetraka akeo am-baravaragn'ny tragnony izy; akeo am'seza am'tôrana agnambo be am'tanàna. 15 Magnantso reo ze mandalo am'reo lalana izy, amin'ny ôla ze mande mahitsy am'lalanjareo. 16 "Na iza na iza bado ôka izy hiverigna aketo ndre," ozy izy am'reo ze tsisy saigna. 17 "Mamy ny rano nangalarina, ary matsiro ny mofon'ny tsiambaratelo." 18 Fa tsy fantany fa aigny ny maty, fa reo vahiny nasainy de aigny amin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita.