Faha 8

1 Tsy magnantso mafy ma ny fahendrena? Tsy manandrapeo ma ny Fahazavan-tsaigna? 2 Eo am'reo tampon-kavôgna ankekin'ny lalana, akao am'reo sampagnan-dalana, no hitsanganan'ny fahendrena. 3 Akeo agnolônan'reo vavahady akao am'fidirana mankaigny an-tanàna, akeo am'fidirana mankao an-tanàna, no hagnantso. 4 "Anareo, ry vahôka, no antsoviko; ny feoko de ho an'reo zanak'olombelona. 5 Anareo ze bado, mianara fahendrena; ary anareo ze adala, manàgna fahazavan-tsaigna anareo. 6 Tandrigneso, satria miresaka reo ra mendri-kaja za, ary rafa misokatra ny molotro de hilaza ra marina za. 7 Fa ny vavako milaza ze mendri-pitokisana, ary ny faharatsena mamparikoriko ny molotro. 8 Ny tenin'ny vavaka daôly de marina; tsy nisy miolakolaka na fitaka am'reo. 9 Mahitsy ho an'ny ôla ze mahatakatra an'azy ireo; ireo teniko de marina ho an'reo ze mahita fahalalana. 10 Mandraisa ny fampianarako fa tsy ny volafotsy; mandraisa fahalalana fa tsy ny volamena mifangaro. 11 Fa tsara mandombolombo ny firavaka ny Fahendrena; tsisy harena mitovy aminazy. 12 Za, fahendrena, de miara-mipetraka am'fitandremana, ary managna fahalalana sy fahamalinana. 13 Ny tàtra an'i Yaveh de mba hankahalana ny ratsy. Halako ny fieboeboana sy fiavognavognavonana, ny fomba ratsy, sy ny teny ratsy. Halako reo. 14 Managna torohevitra tsara sy fahendrena marina za; lalin-tsaigna za; anà ny hery. 15 Amin'ny alalako no anjakan'reo mpanjaka-reo leilà manan-kaja ihany kô, sy ny daôly ze mifehy am'fahamarinana. 16 Amin'ny alalako no anapahan'reo andrendahy, reo manan-kaja, sy ny daôly ze mifehy am'fahamarinana. 17 Téko ze té anà, ary reo ze tegna mikaraka anà, de hahita anà. 18 Akao aminà ny harena sy voninahitra, harena maharitra ary fahamarinana. 19 Ny vokatro de tsara mandombolombo ny volamena, eny na ny volamena tegna tsara aza; tsara mandombolombo ny volafotsy madio ny vokatro. 20 Mande am'lalan'ny fahamarinana, ampovôn'ny lalan'reo marina za. 21 Vokatr'zany, de ataoko mandova harena reo ze té anà; finôko ny fitahirizan-drakitr'zareo. 22 Nahary anà i Yaveh tam'fiandohana, ny asany vôlôny tam'zany. 23 Talô ela be de ary zà_ hatraigny am-bôlôny, hatraigny am'fiandohan'ny tany. 24 Talôn'ny nisian'ny ranomasina, de teraka za_ talôn'ny nahatondraka rano an'reo lôrano. 25 Talôn'ny namitrahana an'reo tanety ary talôn'reo havôgna, de teraka za. 26 Efa teraka za talôn'ny naharian'Andriamanitra ny tany na ny saha, eny fa na de ny jofo vôlôny tam'zao tontolo zao aza. 27 Efa teo za tam'nametraka ny lagnitra Izy, tamin'Izy nanoritra boribory taigny am'faritry ny laligna. 28 Efa teo za tamin'Izy nametraka ny rôndro agnambo ary tam'namboarina reo lôrano taigny am'laligna. 29 Efa teo za tamin'Izy namaritra ny fetran'ny ranomasina, ka de tsy nihôtra ny fandideny reo rano, ary tam'namaritana ny fanorenana ny tany maigna. 30 Mpagnano asa tagnana tegna mahay takeo agnilanao za; za no fifaleny isan'andro isan'andro, mifaly mandrakariva tagnolônany za. 31 Nifaly tao am'tontolony daôly za, ary ny fifaleko de tao am'reo zanak'olombelona. 32 Am'zao fotôna zao; ry zanako, mitandrignesa anà, fa reo ze mitandrina reo lalako de ho vôtaha. 33 Mitandrignesa ny fampianarako ka hendre; aza magnano tsinotsino an'zany. 34 Ze mitandregny anà de ho vôtaha. Hiambina isan'andro akeo am-baravarako izy, mandigny ankekin'reo tsangatsangan'reo varavarako. 35 Fa na iza na iza mahita anà, de mahita fiaignana, ary hahita sitraka amin'Andriamanitra izy. 36 Fa izy ze tsy mahita, de mandratra ny aignany ihany; reo daôly ze mankahala anà de té fahafatesana."