Faha 7

1 Ry zanako, tandremo ny teniko raiketo akao agnatinao reo didiko. 2 Tandremo ny didiko mba ho velona anao ary tandremo ôtran'ny anakandriamasonao ny fampianarako. 3 Fatoro akeo am'reo rantsan-tagnanao regny; sorato akeo am'vato fisaky ny fonao regny. 4 Lazao ny fahendrena hoe: "Anabaviko anao," ary antsovo hoe havanao ankeky ny fahazavan-tsaigna, 5 mba hitandremanao ny tegnanao am'veivavy malanga, am'veivavy ratsy fitondran-tegna miaraka am'teniny malama. 6 Takeo am'varavarankelin'ny tragnoko de nitazagna taigny avelagny avy takeo am'makarakara za. 7 Nitazagna an'reo ôla kely saigna za, ary vômariko tam'reo tanora ny zatovo raika ze tsy nisy saigna. 8 Nandalo takeo amin'ny arabe ankekin'ny kihon-dalany izany gaogna zany; ary nizotra nankaigny an-dragnony. 9 Somambisamby tam'zany, tamin'ny andro hariva, sy tam'fotônan'ny alina sy ny aizigna. 10 Nisy veivavy nitseza azy, niakanjo salan'ny mpivaro-tegna, ze fetsy am-po. 11 Sady bevava izy no maditra; tsy manangana an-dragno ny tongony. 12 Vetiketika aigny an-dalam-be, avy akeo aigny an-tsena, ary aigny an-joron-tragno-daôly aigny izy no mandigny mamitsaka. 13 Ka de misavika an'azy izy ka nagnoroka an'azy, am'tarehy nisolantsolana no nilazany taminazy hoe: 14 "Nagnano fagnati-pihavanana za nigniany, nagnefa an'reo voadiko za, 15 ka de nivôka hitseza an'nao za, mba tegna hikaraka ny tavanao, ary de nahita an'nao za. 16 Efa namelatra lamba firakotra, rongony fotsy miloko avy taigny Egypta, takao am'fandrenako za. 17 Efa nandrarahako miora, sy havozo, ary kanelina ny fandrenako. 18 Ave, andao tsika hivoky fitè hatramin'ny ampolakeka; andao tsika hiaka fahafinaretana am'fitiavana. 19 Fa tsy akao an-dragnony ny vadiko; lasana nande nivahiny alavitra izy. 20 Nitondra kitapom-bola niaraka taminazy izy; hiverigna izy am'fotônan'ny fenomanana." 21 Tam'resa-be no nitômany an'azy; tamin'ny halaman'ny molony no namitahany an'azy. 22 Nande nagaraka an'azy avy tafara tampoka salan'ny aomby ndesina hovonòna, salan'ny diera vôsambotra agnaty fandrika izy, 23 mandrapitsatoky ny zana-tsipika akeo amin'ny atiny. Salan'ny vorogna ze mitsoreka ho akao amina fandrika. Tsy fantany fa hahafaty an'azy zany. 24 Ka mitandrignesa anà anareo, ry zanako lahy; tandremo reo tenin'ny vavako. 25 Ôka ty hivily am'reo lalany anie ny fonareo; aza mivily am'reo lalan-disony. 26 Nahalavo ôla vôtrobaka maro izy; maro de maro reo niharan'ny fahafatesana azony. 27 Aigny am'lalana mankaigny am'fiaignan-tsy hita ny tragnony; midigna mankaigny amin'ny efitragno fandrena maizign'ny fahafatesana zareo.