Faha 6

1 Ry zanako, raha manokana ny volanao ho am'findraman'ny namanao anao, raha nampagnantegna fampindramam-bola ho an'ny ôla tsy fantatrao anao, 2 de efa nametraka fandrika ho an'ny tegnanao tam'fampagnantignanao anao, ary efa vôsingotry ny teny navôkan'ny vavanao. 3 Raha vôsingotry ny teninao anao, ry zanako, de ataovo zao ka vonjeo ny tegnanao, satria efa lavo takao an-tagnan'ny namanao anao; mandihana ka magnetre-tegna ary miangave akeo agnatrehan'ny namanao. 4 Aza avela hoandry ny masonao ary aza avela rendremana ny hodi-masonao. 5 Vonjeo ny tegnanao salan'ny gazela an-tagnan'ny mpihaza, salan'ny vorogna akeo an-tagnan'ny mpamandri-borogna. 6 Zahao ny vitsika, ry ôlo-malaina, diniho ny ataony ka hendre. 7 Tsy managna komandy, na mpifehy, na mpanapaka izy, 8 kanefa mamory ny hehaniny am'fahavaratra ary mandritra ny fiakaram'bokatra no hitarizany ze hohaniny. 9 Hatramin'ny ovena no hatorenao, ry ôlo-malaigna? Ovena no hifohazanao am'torimasonao? 10 "Toromaso kely, faharendreana kely, famoretan-tagnana kely mba hialana reraka"_ 11 ary de ho avy salan'ny mpangalatra ny fahantranao ka ny filànao salan'ny miaramila mirongo fedina. 12 Ny ôlom-pôgna _ ny ôla ratsy fagna_ de miaigna am'fahamelohan'ny teniny, 13 mipi-maso, magnano famantarana am'tongony ary manondro ma'reo rantsa-tagnany. 14 Magnano teti-dratsy sy fitaka akao am-pony izy; magnetsika fifamalena mandrakariva izy. 15 Noho izany de hahatakatra an'azy tampoka ny lozany; akao agnatin'ny fotôna foika de ho potika lavitra ny fagnasitragnana izy. 16 Misy ra enina halan'i Yaveh, fito ze maharikoriko an'Azy. 17 Ny mason'ny ôla mpirehareha, ny lela mpandainga, ny tagnana mpandatsa-dràn'ny ôla tsy manan-tsigny, 18 ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra ze mailaka am'fihazakazahana hagnano ratsy, 19 ny vavolombelona ze mamôka lainga ary mamfy fifamalena akeo am'rahalàny. 20 Ry zanako, ankatoavo ny didin-drainao ary aza mahaafoy ny fagnanaran-dreninao. 21 Fatoro akao am-ponao mandrakariva reo; fatoro akeo amin'ny am-bozognao-reo. 22 Raha mande anao, de hitari-dalana an'nao ireo; raha mandry anao, de hiambina an'nao reo; ary raha mifô anao, de hampianatra an'nao reo. 23 Fa fanilo ny didy, ary fahazavana ny fampianarana; reo anatra ze avy am'fampianarana no lalan'ny fiaignana. 24 Miaro an'nao am'veivavy ratsy fitondran-tegna zany, am'teny malefaky ny veivavy ratsy fitondran-tegna. 25 Ôka ny fonao tsy hitsiriritra ny hatsarany ary aza avela hambabo an'nao am'volomasony izy. 26 Ny fiaraha-mandry amin'ny ôla malanga de samdainao am'sombi-mofo, fa ny vadin'ny hafa de sandainao amin'ny aignanao mihitsy. 27 Misy ôla afaka mitondra afo akeo an-tratrany ma ka tsy mandoro ny akanjony? 28 Misy ôla mahakitsaka vaink'afo mahamay mma ka tsy hitsovaka ny tongony? 29 Ôtran'zany kô ny leilà miara-mandry am'vadin'ny namany, ze miara-mandry aminazy de tsy ho afa-maigna. 30 Tsy hagnamavo ny mpangalatra ny ôla raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rafa nôna izy. 31 Fa raha takatra kosa izy, de hagnonitra impito heny ze nangalariny; tsy maintsy mamoy ny ra sarobidy daôly akao an-dragnony izy. 32 Ze ôla malanga de tsisy saigna; ze magnano an'zany de mandràtra ny tegnany. 33 Ratra sy hegnatra no mendrika an'azy ary tsy ho vôfafa ny fahafaham-barakany. 34 Fa ny fahasarotam-piaro no mahasosy ny leilà; tsy hampitranga famindram-po izy rafa mamaly faty. 35 Tsy hagneky onitra izy ary tsy ho vôtamby, na de amenao fagnomezana maro aza.