Faha 5

1 Ry zanako, tandremo ny fahendreko; atongilagno am'fahazavan-tsaigna ny sofignao, 2 mba hiatra momba ny fahamalinana anao ary hiaro fahalalana ny molotrao. 3 Fa ny molotry ny veivavy malanga mitete tintely ary ny vavany de malama mandombolombo ny menaka, 4 nefa aigny am-parany de hangidy salan'ny kakazo mahafaty izy, manapaka salan'ny sabatra maragnitra. 5 Midigna makaigny am'fahafatesana ny tongony, ary ny dény de mizotra ho aigny am'fiaignan-tsy hita. 6 Tsy mihevitra ny lalan'ny fiaignany izy. Mivendrivendry ny dén-tongony; ary tsy fantany ze andihanany. 7 Am'zao fotôna zao, ry zanako, mitandrignesa Anà, aza miala am'fitandrignesana ny tenin'ny vavako. 8 Alaviro an'azy ny lalanao ary aza magnankeky ny varavaragn'ny tragnony. 9 Am'zany de tsy hagnome ny voninahitrao ho an'ny hafa anao na ny taonanao ho an'ny ôlon-dozabe; 10 tsy hifety amin'ny harenanao reo vahiny, ary ze efa niasanao de tsy ho tonga akao an-dragnon'reo vahiny. 11 Am'faran'ny androm-piaignanao de hisento anao rafa hihaosa ny nofinao sy ny vatagnao. 12 Hitare anao hoe: "Zao ny fankahalako ny fampianarana sy fagnanôvan'ny foko tsinotsinona ny fagnitsina! 13 Tsy nankatò an'reo mpampianatro za ary nanongilagna ny sofiko tam'reo mpagnanatra anà. 14 Efa rava tanteraka za teo ampovôn'ny fiangonana, teo am'fivoren'ny ôla." 15 Misotroa rano avy akao am'famoren-dranonao ary misotroa rano mikorigna avy akao am'lava-dranonao. 16 Tokony hiboiboika na aiza na aiza ma ny lôranonao ary hikorigna ankalamanjagna ny lôranonao? 17 Ôka ho an'nao rerika fôgna regny fa tsy ho an'reo vahiny miaraka aminao. 18 Ho vôtaha ane ny lôranonao ary ôka hifaly am'vadin'ny fahatanoranao anao, 19 fa diera maha-te ho tia izy ary osidia soa. Ôka hahafa-po an'nao am'fotôna daôly ny nonony; ôka ho mamin'ny fitiavany mandrakariva ane anao. 20 Fa nagnino anao, ry zanako, no tokony ho babon'ny veivavy malanga, nagnino anao no tokony hamihina ny tratran'reo veivavy ratsy fitondrantegna? 21 Mahita ny ra ataon'ny ôla daôly i Yaveh ary mitazagna ny lalana andihanany daôly. 22 Ny ôla ratsy fagna de azon'ny fahamelôny fôgna, reo kofehin'ny fahotany no hamatotra an'azy mafy. 23 Hofoaty noho ny tsy fahampen'ny fampianarana izy; vôtarika aigny am'lalan-diso noho ny haben'ny fahadalany izy.