Faha 4

1 Mitandrignesa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaigna. 2 Magnome fampianarana tsara ho an'nao za; aza mahafoy ny fampianarako. 3 Tam'mbôla naha-zanaky ny raiko anà, le mora fagna ary zanaka tokan'ny reniko, 4 de nampianatra anà izy ary nitare taminà hoe: "Ôka ny fonao hitàna mafy an'reo teniko; tandrovo reo didiko de ho velona anareo. 5 Mazahoa fahendrena sy fahazavan-tsaigna; aza magnadino ary aza mandà reo tenin'ny vavako; 6 aza afoy ny fahendrena ary hiambina an'nareo izy; tiavo izy de hiaro an'nareo. 7 Ny fahendrena no tegna zava-deibe, ka mazahoa fahendrena ary lanio ze hanagnanareo daôly mba hahazahônareo fahazavan-tsaigna. 8 Ôka holalainao ny fahendrena de hanandratra an'nareo izy; hagnaja an'nareo izy raha mamihina an'azy anareo. 9 Hametraka fehilôm-pagnajana akeo agnambon'ny lônareo izy; ary hagnome an'nareo satro-boninahitra tsara tarehy." 10 Mitandrignesa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, de hanagna taona maro hiaignana anao. 11 Hagnatoro lalana an'nao am'lalam-pahendrena za, ary hitarika an'nao ho am'reo lalana mahintsy za. 12 Rafa mande anao, de tsy hisy ôla hitsangana am'lalanao ary raha mihazakazaka anao; de tsy ho tafitohina. 13 Tano reo toro-lalana, aza avela hande; tano, fa fiaignanao zany. 14 Aza magnaraka ny lalan'ny ratsy fagna ary aza mande magnaraka ny lalan'reo ze magnano ratsy. 15 Lifaso zany, ary aza mande am'zany; mialà am'zany ary mandihàna am'lalan-kafa. 16 Fa tsy afa-mandry zareo mandrapagnanôvany ratsy ary very torimaso zareo mandra-panafitohinany ôla. 17 Fa zareo de mihinana ny mofon'ny faharatsena ary misotro ny divain'ny herisetra. 18 Fa ny lalan'ny ôlo-masina de ôtran'ny hazavana vôlôny ze mahamazava; mamirapiratra zany mandra-piaven'ny mazava. 19 Ny lalan'ny ratsy fagna de ôtran'ny aizigna_ tsy fantatr'zareo ze manafintona an'jareo. 20 Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilagno am'teniko ny sofinao. 21 Aza avela hiala am'masonao reo; tano akao am-ponao zany. 22 Fa ny teniko de aigna ho an'reo ze mahazo an'azy ary fahasalamana ho an'ny vatagn'zareo iray manontolo. 23 Arôvo ny fonao ary ambeso am'fitandremana daôly zany, fa avy am'zany no hikorignan'ny lôranon'aigna. 24 Alao akeo aminao ny teny mivilambilagna ary ny teny marary lavitra an'nao. 25 Ôka ny masonao hitazagna maintsy sy hibanjina mahitsy ny akeo agnolônanao. 26 Magnamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; de hilamina ny lalanao daôly. 27 Aza mivily ho amin'ny ankave na ankavanana; alaviro am'retsy ny tongotrao.