Faha 3

1 Ry zanako, aza magnadino ny didiko ary tano akao am-ponao ny fampianarako, 2 fa andro lava sy taona maro hiaignana ary fiadanana no hagnampen'reo an'nao. 3 Aza avela hiala an'nao ny tsy fivadem-pagnikena sy ny fahamendreham-pitokisana, hampifamatoro akeo am'vozonao reo, ary raiketo akao am'vato fisaky ny fonao. 4 De hahita fitia sy ho tsara laza akeo amason'Andriamanitra sy ny ôla anao. 5 Matoké an'i Yaveh am'fonao iray manontolo ary aza miankina am'fahalalanao fôgna; 6 magnike an'Azy am'lalanao daôly ary Izy no hampahitsy ny lalanao. 7 Aza hendry akeo amasonao fôgna; fa matahôra an'i Yaveh ka hialao ny ratsy. 8 Ho fagnasitragnana ho an'ny nofonao ary famelombelomana ho an'ny vatagnao zany. 9 Magnajà an'i Yaveh amin'ny harena sy ny vôlôm-bokatry ny vokatrao daôly, 10 de ho feno ny tragno fiterizam-bokatra ary ho feno hipoka ny fitôram-bolobokao, feno divay vaovao. 11 Ry zanako, aza magnamavo ny fampianaran'i Yaveh ary aza mankahala ny fibedesany, 12 fa reo ze tèny no faizin'i Yaveh, salan'ny ataon'ny ray amin'ny zanagny ze ankasitrahany. 13 Sambatra ze mahita fahendrena; fa mahazo fahazavan-tsaigna ihany kô izy. 14 Tsara mandombolombo an'ze amen'ny volafotsy ny azonao avy am'fahendrena ary ny tombony de tsara mandombolombo sy volamena. 15 Sarobidy mandombolombo ny firavaka ny fahendrena ary tsisy azonao ampitahaina aminazy ze mety ho irinao. 16 Andro lava no akao an-tagnany an-kavanana; ary harena sy voninatra no eo an-tanany an-kave. 17 Lalan'ny fahalemem-pagna ny lalany ary fiadanana daôly ny lalany iray manontolo. 18 Izy no hazon'aigna ho an'reo ze mitàna an'zany, sambatra reo ze mifikitra am'zany. 19 Tam'fahendrena no nagnorenan'i Yaveh ny tany, tam'fahazavan-tsaigna no nampetrahany ny lagnitra. 20 Tam'fahalalany no nitriaran'ny laligna ary nandatsaka ny andony ny rôndro. 21 Ry zanako, tano ny fitsarana sy fahaiza-magnavaka marina, ary aza alàna am'masonao zany. 22 Ho aigna ho an'ny fagnanao regny ary ravaky ny fankasitrahana hagnanôvana magnodidigna ny tendanao. 23 De hande am'lalanao am-pilaminana anao ary tsy ho tafitòna ny tongotrao; 24 rafa mandry anao, de tsy hatàtra; rafa mandry anao, de ho mamy ny torimasonao. 25 Aza matàtra ny horohoro avy tampoka na ny fandravana ataon'ny ratsy fagna, ra tonga zany, 26 fa Yaveh no ho akeo agnilanao ary hiaro ny tongotrao tsy ho vôn'ny fandrika. 27 Aza mamihina ny soa am'reo ze mendrika an'zany, raha ao amin'ny herinao ihany ny hiasa. 28 Aza mitare am'namanao hoe: "Mandiana, ka tongava ndre, ary amaraigna no hagnomezako an'zany," raha hanagnanao aminao ihany le vola. 29 Aza magnano tetika hagnisy ratsy ny namanao_ de le mipetraka akeo ankekinao ary matoky an'nao. 30 Aza mifandritra amin'ôla am'tsisy dikany raha tsy nagnisy ratsy an'nao izy. 31 Aza mialona ny ôla maherisetra na misafidy ze lalany. 32 Fa maharikoriko an'i Yaveh ny ôla maniasia, fa hampitokiany aminazy kosa ny ôla mahitsy fo. 33 Akeo am'tragnon'ny ratsy fagna ny fagnozognan'i Yaveh, fa mitaha ny fonenan'ny ôla marina hosa Izy. 34 Mandatsa ny mpandrabiraby Izy, fa magnome sitraka ho an'ny ôla magnetry tegna. 35 Ny ôlon-kendry mandova voninahitra, fa ny adala kosa de hisandratra am'fahamegnarany.