Faha 2

1 Ny zanako, raha mandray ny teniko anao ary raiketinao akao aminao reo didiko, 2 de ôka ny sofignao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilagno ho am'fahazavan-tsaigna ny fonao. 3 Raha mihiakiaka ho am'fahazavan-tsaigna anao ary mampiaka-peo ho am'zany, 4 raha mikaraka an'zany salan'ny hikarahanao volafotsy anao ary mikaraka ny fahazavan-tsaigna salan'ny fikarahana harena miafina, 5 de ho fantatrao ny tàtra an'i Yaveh ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. 6 Fa maagnome fahendrena i Yaveh, ary am'vavany no hiaven'ny fahalalana sy fahazavan-tsaigna. 7 Mitahiry ny fahendrena tsara ho an'reo ze ankasitrahany Izy, Izy no ampingan'reo ze mande am'fahitsiana, 8 miambina reo lalan'ny rariny Izy ary hiaro ny lalan'reo ze mahatoky an'Azy. 9 De ho tsapanao ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara daôly. 10 Fa hiditra akao am-ponao ny fahendrena, ary hahafinaritra ny fagnanao ny fahalalana. 11 Hiaro an'nao ny fahamalinana, ary hiambina an'nao ny fahazavan-tsaigna. 12 Hagnavotra an'nao am'lala-dratsy reo, am'reo ze mitare ra-ratsy, 13 ze miala an'reo lalan'ny fahamarinana ary mande am'lalan'ny fahamaizignana. 14 Mifaly zareo rafa magnano ratsy ary finaritra am'fahavetavetan'ny ratsy. 15 Magnaraka lala-maloka zareo, ary nampiasa ny fitaka hagnafenana ny lalany. 16 Fahendrena ary fahamalinana no hanavotra an'nao am'veivavy malanga, am'veivavy ratsy fitondrategna sy ny teniny mandoka. 17 Mahafoy sy sakaizan'ny fahatanorany izy ary magnadino ny fagnikeny tamin'Andriamaniny. 18 Fa ny tragnony mitarika am'fahafatesana ary reo lalany hitondra an'nao ho am'reo ze aigny am-pasagna. 19 Ze daôly miditra akao aminazy de tsy hiverigna ntsony ary tsy hahita ny lalan'ny fiaignana zareo. 20 De hande am'lalan'ny ôla tsara anao ary hagnaraka reo lalan'ny ôla marina. 21 Fa reo magnano ny marina no hagnano fonenana akeo am'tany, ary reo tsy mivadika no hipetraka akao am'zany. 22 Fa ny ratsy fagna hofongorina akeo am'tany, ary ny tsy manam-pinòna hofongorina akeo am'zany.