Faha 10

1 Ohabolagn'i Solomona. Ny zanaka handry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mampitondra alahelo ny reniny. 2 Ny harena nangonina tamin'ny faharatsina de tsy manandanja fa ny fagnanôvana ny marina no miaro an'nao am'ny fahafatesana. 3 Tsy avelan'i Yaveh ho nôna ny fagnahin'ny ôlo-marina, fa magnafôgna an'reo fagniren'ny ratsy fagnahy Izy. 4 Ny tagnana kamo no antony mampahantra ny ôla, fa ny tagnan'ny ôla mazoto mahazo harena. 5 Ny zanaka hendry magnangona vokatra am'ny fahavarata, fa mahamegnatra an'azy ny matory mandritra ny fampakarambokatra. 6 Ireo fagnomezana avy amin'Andriamanitra de akeo am'lôn'ny ôla-marina, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy de magnanno herisetra. 7 Ny ôlo-marina mampifaly an'reo ze mahatsiaro an'azy, fa ny agnaran'ny ratsy fagnahy de ho potika. 8 Ireo ze hendry magneky ny didy, fa ny adala mahay vava de ho rava. 9 Ze mande amin'ny fahamarinana de mande ampelaminana, fa ze magnano ny lalany ho meloka, de hiarihary izy. 10 Ze mipi-maso de ahatonga alahelo, fa ny adala be resaka de ho lavo. [Fagnamarihana: Ireo dikanteny tato afara de misy hoe: Fa ny raika ze magnitsy amin'ny herim-po no mampihavana.] 11 Ny vavan'ny ôla-marina de lôharanonaigna, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy de mitondra herisetra. 12 Ny fankahalana de mahatonga ady, fa ny fitiavana de manarogna ny fahadisoana daôly. 13 Amin'ny molotry ny ôla manantsaigna ny fahedrena, fa tsoraka kakazo no amin'ny lamosin'ny tsisy saigny. 14 Ny ôla hendry de mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala de mitondra faharavana. 15 Ny harenan'ny ôla manankarena de ôtran'ny tanàna mafy orina; ny fahantran'ny mahantra de faharavan-jareo. 16 Mitondra fiaignana ny karaman'ny ôlo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fagnahy de mitondra an'azy reo ho am'fahotana. 17 Misy lalana mankaigny amin'ny fiaignana ho an'ze magnaraka ny fetsepi-pehezana, fa ze mandà de mande amin'ny lalan-diso. 18 Ze mitahiry fankahalana akao ampony de managna molotra mandaiga ary ze mampiely endrikendra de adala. 19 Raha misy be resaka, de tsy maintsy mandainga, fa ze tsy miteniteny fôgna no hendry. 20 Volafotsy vôfantina ny lelan'ny ôlo-marina; fa tsy de misy ny lanjany ampon'ny ratsy fagnahy zany. 21 Ny molotry ny ôlo-marina de mamelona ny maro, fa maty ny adala noho ny tsy fampen-tsaignan-jareo. 22 Ny fagnomezana tsara avy am'Yaveh no ahazaôna harena ary tsy ampeny fanaintaignana zany. 23 Kilalao fataon'ny adala ny fagnanôvan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny ôla managna fahazavan-tsaigna. 24 Ny fahatahôran'ny ôla ratsy fagnahy de ahavô an'azy, fa ny fagnirin'ny ôla-marina de hamena an'azy. 25 Ny ratsy fagnahy de salan'ny tafio-drivotra mandalo, ary tsy akeo ntsony zareo, fa ny ôla marina de managna fototra maharitra mandrakizay. 26 Salan'ny vinaigra mahazo ny nify ary salan'ny setroka mahavô maso de ôtran'zany kô ny kamo am'ze magniraka an'azy. 27 Ny fatahorana an'i Yaveh no mahaela velona, fa ny taonan'ny mpagnano ratsy de ho hafoizina. 28 Ny fagnantignan'ny ôlo-marina no fifalinjareo, fa ny taonan'ny ratsy fagnahy de hafoizina. 29 Ny lalan'i Yaveh de miaro ny marina fa fandringianana ny ratsy fagnahy zany. 30 Ny ôla-marina de tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fagnahy de tsy hipetraka amin'ny tany. 31 Avy am'ny vavan'ny ôla-marina no ihavin'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga de hofongorana. 32 Ny molotry ny ôla marina mahafantatra an'ze mety, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy, mahay an'ze fetaka.