Faha 30

1 Ny tenin'i Agora zanak'i Jake__fampitana: nitory tamin'i Itiela io leilà io, tamin'i Itiela sy Okaka: (Fagnamarihina: reo dikanteny sasagny de misy hoe: "Nambaran'io leilà io hoe: Reraka za Andriamanitra ô! Reraka za. Tsy afaka magnano na ino na ino za). 2 Ôtran'ny biby za mihoatra ny ôlà ary tsy managna ny fahazavan-tsaign'ny ôlombelona za. 3 Tsy nianatra fahendrena za, na managna ny fahalalana an'le Iray Masina. 4 Iza no niakatra sy nidigna taigny an-dagnitra? Iza no nanangona ny rivotra taigny an-tagnany? Iza no navôangona ny rano takeo am'lambany? Iza no nagnorina ny faran'ny tany daôly? Iza no agnarany, ary iza no agnaran-janagny? Fantatrao tokôtra zany! 5 Voazaha toetra daôly ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'reo ze mialoka aminazy Izy. 6 Aza magnampy am'teniny, sao ho faiziny anao, ka ho hita fa mpandainga. 7 Ra rôy no angatahiko aminao, ary aza lavina dieny mbôla tsy maty za: 8 Alaviro anà ny zava-pôgna sy ny lainga. Aza amena anà na ny fahantrana na ny harena, fa ameo anà fotsiny ny ahanina ze ilaiko. 9 Fa raha managna be lôtra za, de mety handà an'nao ka hiteny hoe: "Iza ma Yaveh?" Na raha tonga mahantra za, de mety hangalatra ka handoto ny agnaran'ny Andriamanitro. 10 Aza magnendrikendrika ny mpanompo akeo agnatrehan'ny tompony, sao hagnozona an'nao izy ary ho vôtana ho meloka anao. 11 Misy taranaka magnozogna ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. 12 Misy taranaka milaza an'azy ho madio , kanjo tsy vôsasa tam'lotony avy. 13 Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony! 14 Misy taranaka ze sabatra ny nifiny, ary ny vazagny salan'ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala am'tany ary ny ory tsy ho akeo am'zanak'ôlombelona. 15 Ny dinta manan-janaka vavy rôy: "Ameo, ameo," ozy ny fihiakiakany. Misy ra telo ze tsy mety afa-po, efatra ze tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy zay": 16 de ny Fiaignan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy zay!" 17 Ny maso ze maniratsira ny ray sady tsy mety manaja reny, de ho tsaingohan'ny goaika aigny an-tsaha ny mason'zany, ary ho lanin'ny voromahery izy. 18 Misy ra telo ze mahagaga anà lôtra, eny efatra ze tsy takatro: 19 ny lalan'ny voromahery aigny an-dagnitra; ny lalan'ny bibilava aigny am' vatolampy; ny lalan'ny sambo aigny ampovôn'ny ranomasina; ary ny lalan'ny leilà miaraka am'gaombavy. 20 Zao no fomban'ny veivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nagnano ratsy za." 21 Mihovitrivitra akeo ambin'ny ra telo ny tany, ary ambanin'ny ra efatra no tsy zakany: 22 de ny mpanompo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky ahanina; 23 ny veivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny tôran'ny tompo vaviny. 24 Ra efatra aketo an-tany no kely kanefa hendry tokôtra: 25 ny vitsika de voahary tsy matanjaka, kanefa magnandroka ny ahaniny am'fahavaratra zareo; 26 ny hyraky ny vato de tsy voahary mahery, kanefa magnano ny tragnony agnaty vatolampy. 27 Ny valalagna de tsy managna mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany. 28 Ary ny amin'ny antsiantsy, de azonao tazomina am'tagnanao rôy zany, kanefa de hita aigny am'reo lapan'ny mpanjaka. 29 Misy ra telo ze tsara famindra ary efatra ze tsara ny fomba fandehany: 30 ny liona, ze tegna mahery am'reo bibidia__tsy miemotra na amin'ny ino na amin'ny ino zany; 31 ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka ze akeo agnilany ny maramilany. 32 Raha adala anao, nanandra-tegna, na raha nisaigna hagnano ratsy__de atôvo akeo am-bavanao ny tagnano. 33 Ny fagnontsankontsagnana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary ôtran'ny fivoahan-drà amin'ny orogn'ny ôlà raha ahodikodigna zany, de ôtran'zany kô ny asa atao amin-kasosena de miteraka ady.