Faha 29

1 Ny ôlà ze anarina matetika kanefa magnamafy hatoka de ho rava akao agnatin'ny fotôna foika tsisy fagnasitranana. 2 Rafa mitombo ny ôlo-marina, de mifaly ny ôlà, fa rafa ny ôlà ratsy fagnà ny mpanapaka, de misento ny ôlà. 3 Na iza na iza tia ny fahendrena de mahafaly ny rainy, fa ze miaraka am'mpijangajanga de mandany ny harenany. 4 Mametraka ny tany am'rariny ny mpanjaka, fa ze mangataka tsolotra kosa de mandratra an'zany. 5 Ny ôlà ze mandoka ny namany de mamelatra harato ho an'ny tongony. 6 Akao am'fahotan'ny ratsy fagnà ny fandrika, fa ny ôlo-marina kosa de mihira ary mifaly. 7 Ny ôlo-marina de mihevitra ny adin'ny ôlà mahantra; ny ôlà ratsy fagnà de tsy mahatakatra ny fahalalana ôtran'zany. 8 Mampisavoritaka ny tanàna ny mpaniratsira, fa reo ze hendry kosa de mampivily fahasosena. 9 Rafa miady hevitra amin'ny adala ny ôlon-kendry raika, de romotra izy ary mihomehy, ary tsisy fitsaharana. 10 Ny lian-drà de mankahala an'ze tsy manan-tsigny ary mifofo ny aignan'ny marina. 11 Ny adala de mampiseho ny hasoseny daôly, fa ny ôlon-kendry kosa de mitàna an'zany ary mampitogny ny tegnany. 12 Raha mitaino lainga ny mpitondra, de ho ratsy fagnà daôly reo manam-pahefany daôly. 13 Ny ôlà mahantra sy ny mpampahory de mitovitovy, fa Yaveh de magnome hazavana ho an'ny mason'izy rôy reo. 14 Raha mitsara ny mahantra am'fahamarinana ny mpanjaka raika, de hitoetra mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Ny tsorakazo sy ny anatra de magnome fahendrena, fa ny zanaka afaka tam'fitsipika de mahamegnatra ny reniny. 16 Rafa akeo am'fahefana ny ôlà ratsy fagnà, de mitombo ny fandikan-dalàna, fa ny ôlo-marina kosa de hahita ny fionganan'ny ôlà ratsy fagnà. 17 Fihezo ny zanakao de hagnome fitsaharana an'nao izy; hitondra hamamiana am'fiaignanao izy. 18 Aigny am'ze tsisy fahitana ara-paminaniana de mahabiby ny ôlà, fa tahiana ze mitandrina ny lalàna. 19 Tsy ho voahitsy am'teny ny andevo, fa na de mahatakatra izy; de tsisy valiny. 20 Jereo ane ny ôlà ze pentsam-bava? Misy fagnatenana bebe kokô ho an'ny adala noho ny aminazy. 21 Ze mampihanta ny mpanompony hatramin'ny fahatanorany, de hanagna olagna aigny am'faran'zany. 22 Ny ôlà sosy magnetsika ady ary ny tompon'ny fahavignirana hagnano fahotana maro. 23 Ny avognavogn'ny ôlà raika mampihetry an'azy, fa ze manana fagnà mietry kosa de hamem-boninahitra. 24 Ze mizara am'mpangalatra de magnary tegna; maregny ny ozogna fa tsy miteny na ino na ino. 25 Ny tàtran'ny ôlà de mahatonga fandrika, fa ze matoky an'i Yaveh no ho vôaro. 26 Maro reo ze mikaraka ny tavan'ny mpanapaka, kanefa avy amin'i Yaveh ny rariny ho an'ny ôlà raika. 27 Ny ôlà tsy marina de fahavetavetana ho an'ny ôlo-marina, fa ze mahitsy lalana kosa de maharikoriko ny ôlà ratsy fagnà.