Faha 28

1 Milefa ny ratsy fagnà ne de tsisy ôlà magnenjika an'azy avy, fa ny ôlo-marina de sahy salan'ny liona tanora. 2 Noho ny fandikan-dalàn'ny tany, de managna mpanapaka maro izy, fa raha miaraka amin'ôlà managna fahazavan-tsaigna sy fahalalana, de haharitra ela zany. 3 Ny ôlà mahantra ze mampahory ôlà mahantra hafa de ôtran'ny orana mivatravatra ze tsy mamela ahanina. 4 Reo ze mahafoy ny lalàna de mandoka ny ôlà ratsy fagnà, fa reo ze mitandrina ny lalàna de hiady aminjareo. 5 Ny ôlàn-dratsy de tsy mahatakatra ny rariny, fa reo ze mikaraka an'i Yaveh no mahatakatra ny ra daôly. 6 Tegna tsara ho an'ny ôlà mahantra ny mande am'fahitsiana, noho ny ho an'ny ôlà mpanankarena ze meloka am'lalany. 7 Ze mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa ze naman'ny tendan-kanina mahamegnatra ny rainy. 8 Ze mihary ny harenany am'zana-bola be lôtra de manangona ny harenany ho an'ny hafa ze hiantra ny ôlà mahantra. 9 Raha misy ôlà manentsin-tadigny tsy hitaino ny lalàna, na ny fivavahany aza mamparikoriko. 10 Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy am'lalàn-dratsy de hilatsaka akao am'lavany fôgna, fa ny tsisy tsigny no hanagna lova tsara. 11 Ny ôlà manan-karena de magnano an'azy ho hendry akeo amasony , fa ny ôlà mahantra ze managna fahazavan-tsaigna no hahita an'azy. 12 Rafa misy fandresena ho an'ny ôlo-marina, de misy voninahitra leibe, fa rafa mitsangana ny ratsy fagnà, de misitrika ny ôlà. 13 Ze manitrika ny fahotany tsy ho ambinina, fa ze mitsotra ka mahafoy an'reo no hahazo famindram-po. 14 Sambatra ze miaigna am'fanehom-pagnajana mandrakariva, fa ze daôly magnamafy ny fony de ho tra-pahorena. 15 Salan'ny liona mitrerogna na bera mihaza ny mpanapaka ratsy fagnà akeo amin'ny ôlà mahantra. 16 Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaigna de mpampahory lozabe, fa ze mankahala ny tsy fahamarinana no hampitombo ny androny. 17 Raha meloka ny ôlà raika satria nandatsaka ràn'ôlà, de ho sesitany mandra-pahafatiny izy ary tsisy ôlà hamonjy an'azy. 18 Na iza na iza mande am'fahitsiana de ho arovana, fa le raika ze mande am'lala-meloka no ho lavo tampoka. 19 Ze miasa ny taniny de hanagna ahanina betsaka, fa na iza na iza magnaraka ny zava-pôgna de ahazo fahantrana be. 20 Ny ôlà mahatoky de hanagna fitahiana leibe, fa ze maika mahazo harena de tsy ho afa-maigna. 21 Tsy tsara ny mizaha tavan'ôlà, fa na de ho an'ny sombina mofo hagnanôvan'ny ôlà ra tsy manjary. 22 Ny ôlà kahihitra de magnenjika harena malaky, nefa tsy fantany fa ny fahantrana no ho tonga akeo aminazy. 23 Na iza na iza magnanatra ôlà, de hahita sitraka betsaka avy aminazy noho ny avy am'le raika mandoka an'azy am'lelany afaran'zany. 24 Na iza na iza mandroba ny rainy sy ny reniny ary miteny hoe: "Tsy fahotana zany," de naman'ze ze mpandratra izy. 25 Ny ôlà tsy mahonon-tegna magnetsika fifandirana, fa ze matoky an'i Yaveh no hambinina. 26 Ze matoky ny fony de adala, fa na iza na iza mande am-pahendrena de hilefa ny loza. 27 Ze magnome ny mahantra de tsisy ra mampahory an'azy, fa na iza na iza mihirim-belona aminjareo de handray ozogna be de be. 28 Rafa mitsangana ny ôlà ratsy fagnà, de misitrika ny ôlà, fa ny ôlà ratsy fagnà de ho fôgna, ary hitombo ny ôlo-marina.