Faha 27

1 Aza mirehareha amin'ny amaraigna, fa tsy fantatrao ze mety havôkan'ny gniany. 2 Ôka ôlon-kafa no handoka an'nao fa tsy ny vavanao ihany; ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany. 3 Saigno ny havesatry ny vato sy ny lanjan'ny fasika__ ny fikatsian'ady ataon'ny adala de mavesatra noho reo rôy reo. 4 Maseka ny havignirana ary misafôka ny hasosena, fa iza no afaka hitsangana akeo agnolônan'ny hasarotam-piaro? 5 Aleo anatra sambimaso toy izay fitia asitrika. 6 Azo atokisana ny ratra ataon'ny namana, fa ny fahavalo de mety hagnoroka mitafotafo an'nao. 7 Ny ôlà ze nihinana mandra-pahavoky de mandà na de ny rôgin-tintely aza, fa ho an'ny ôlà nôna kosa, de mamy ny ra-mangidy daôly. 8 Ôtran'ny vorogna ze mirenireny miala amin'ny akaniny ny ôlà ze maniasia miala am'tragnony. 9 Ny ranomagnitra sy emboka magnitra de mampifaly ny fo, fa ny hamamian'ny namana de tonga avy am'toroheviny amin-kitsim-po. 10 Aza mahafoy ny namanao sy ny rain'ny namanao, ary aza mankaigny am'tragnon'ny rahalànao amin'ny andro-pahavoazanao. Tegna tsara ny namana ze ankeky noho ny rahalà ze alavitra. 11 Haregny, za ry zanako, de ampifalio ny foko; de hamaly an'le magneso anà za. 12 Ny leilà mahira-tsaigna de mahatazagna ny loza ka misitrika, fa ny ôlà bado de magnatogna fôgna ka vôn'zany. 13 Alao ny akanjon'ze nagnome antoka am'vahiny, ary tano ho antoka zany rafa magnome antoka am'veivavy ratsy fitondran-tegna izy. 14 Na iza na iza magnome tso-drano ny namany am'feo mahery amin'ny andro ampôlakeka, de raisina ho ôtran'ny ozogna zany tso-drano zany! 15 Ny vady mpifanditra de salan'ny ora-mikija amin'ny andro fahavaratra; 16 ny mitana an'azy de ôtran'ny mitana rivotra, na miezaka mamihina menaka am'tagnanao ankavanana. 17 Ny vy mandragnitra vy; ôtran'zany, ny leilà mandrangitra ny namany. 18 Ze mikarakara ny kakazon'aviavy de hihinana ny vôny, ary ze miaro ny tompony de hamem-boninahitra. 19 Salan'ny talinjona agnaty ny rano amin'ny endriky ny ôlà, de ôtran'zany kô ny fon'ny ôlà amin'ny ôlà. 20 Ôtran'ny Fiaignan-tsy hita sy ny Fandringanana tsy afa-po mandrakizay, de ôtran'zany ny mason'ny ôlà tsy ho afa-po mandrakizay. 21 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatagna fandrendrehana ho an'ny volamena; de am'fiderana an'azy no hisapana ny ôlà. 22 Na de totoinao am'fanoto aza ny adala__miaraka am'vary__de mbôla tsy hiala aminazy fôgna ny adalany. 23 Atôvo azo antoka fa fantatrao ny toetran'ny ondrinao ary saigno ny momba an'reo biby tahirizinao, fa 24 ny harena de tsy mandrakizay. Maharitra ho an'ny taranaka daôly ma ny satro-boninahitra? 25 Rafa miala ny ahitra ary mitsiry ny solofony, de angonina avy aigny an-tanety ny ahitra ho an'reo ondry aman'osy. 26 Reo zanak'ondry reo no hagnome ny fitafianao ary reo osy no hagnonitra ny saran'ny tany. 27 Hisy rononon'osy ho an'ny ahaninao__ahanina ho an'ny tokantragnonao__ary ahanina ho an'ny mpanomponao vavy.