Faha 26

1 Salan'ny oram-panala am'lôhataona na ranon'orana am'taom-pamokarana, no tsy maha-mendri-kaja ny adala. 2 Salan'ny fody magnembagnebagna sy ny sidintsidina miteligna rafa magnebagna zareo, no tsy hilatsahan'ny ozogna tsy mendrika. 3 Ny karavasy de natao ho an'ny sôvaly, ny lamboridy de ho an'ny ampondra ary ny tsoraka kakazo de ho an'ny lamosin'ny adala. 4 Aza mamaly ny adala araka ny adalàny, fa sao de lasa adala ôtran'azy kô anao. 5 Valeo ny adala araka ny adalàny, fa sao de mihevi-tegna ho hendry akeo amasony ihany izy. 6 Na iza na iza mandefa hafatra am'tagnan'ny adala de manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra. 7 Ôtran'ny tongotry ny mararin'ny paralysisa ze miraviravy ny ohabolagna akao am-bavan'ny adala. 8 Ôtran'ny mamatotra vato amin'ny pilotra ny magnome voninahitra ny adala. 9 Ôtran'ny tsilo ze milentika akao an-tagnan'ny mamo lava ny ohabolagna akao am-bavan'reo adala. 10 Ôtran'ny mpandefa tsipìka ze mandratra ny magnodidigna an'azy daôly ny ôlà ze magnarama adala na magnarama an'ze sendra mandalo. 11 Ôtran'ny ambô miverigna am'nalôny, de ôtran'ny zany kô ny adala ze mamerigna ny hadalany. 12 Mahita ôlà hendry akeo amasony ihany ma anao? Ny adala aza misy azo antenaina noho ny aminazy. 13 Ny ôlà kamo magnano hoe: "Misy liona akaigny an-dalana! Misy lioana aigny ankalamanjana!" 14 Ôtran'ny varavaragna mihodigna am'saviliny, de ôtran'zany kô ny ôlà kamo akeo am-pandrenany. 15 Ny ôlà kamo de mametraka ny tagnany akao ambileny nefa tsy managna hery hampakarana an'zany akao am-bavany izy. 16 Ny ôlà kamo magnano ny tegnany ho hendry akeo amasony ihany noho ny ôlà fito managna fahaiza-manavaka. 17 Salan'le mitana ny sofign'ny ambô ny mpandalo ze sosy amin'ny ady tsy an'azy. 18 Ôtran'ny ôlà mitapy ze manipy zana-tsipìka mirehitra, 19 ny ôlà ze mamitaka ny mpiara-belona aminazy ary magnano hoe: "Tsy nivazivazy ma za?" 20 Noho ny tsy fisian'ny kitaigna, de maty ny afo; ary aigny am'ze tsisy mpifosa no tsisy fifandirana. 21 Ôtran'ny arigna mampirehitra ny vain'afo sy ny kitaigna amin'ny afo, de ôtran'zany kô ny ôlà tia ady mampirehitra fifandirana. 22 Ny tenin'ny mpifosa de ôtran'ny ahanina matsiro; midina akao agnatin'ny faritry ny vatana reo. 23 Ôtran'ny ankosotra taim-bolafotsy mandrakotra ny vilany tany ny molotra mirehitra sy ny fo ratsy. 24 Izay mankahala ny hafa de manarogna ny fihetseham-pony am'molony ary mitahiry fitaka akao agnatiny ihany. 25 Hiresaka amim-pahasoavana izy, kanefa aza mino an'azy, satria misy fahavetavetana fito akao am-pony. 26 Na de vôsarogna fitaka aza ny fankahalany, de haharihary akeo am'fiangonana ny faharatseny. 27 Ze mangady lavaka no ho latsaka akao am'zany ary ny vato de hikode akeo am'ze nanosika an'zany. 28 Ny lela mandainga de mankahala ny ôlà ze torotoroin'zany ary ny molotra mandoka mitondra faharavana.