Faha 25

1 Reto de mbôla ohabolagn'i Solomona kô, ze nadikan'i ôlon'i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2 Voninahitran'Andriamanitra ny manafin-dra, fa ny mahafantatra an'zany no voninahitry ny mpanjaka. 3 Ôtran'ny haambon'ny lagnitra sy ny alalign'ny tany, no tsy atakaran'ny saigna ny fon'reo mpanjaka. 4 Alao am'volafotsy ny taim-bolafotsy ka afaka hampiasa ny volafotsy amin'ny asa tagnany ny mpagnano asa am'vy. 5 De ôtran'zany kô, alao akeo agnatrehan'ny mpanjaka ny ôlà ratsy fagnà de ho apetraka am'fagnanôvana an'ze marina ny seza fiandrianany. 6 Aza manandra-tegna akeo am'fagnatrehan'ny mpanjaka ary aza mitsangana am'tôrana vôtokana ho an'ny ôlà ambony. 7 Tegna tsara raha miteny aminao izy hoe: "Miakara aty," noho ny hagnalany baraka an'nao akeo agnatrehan'ny ôlà manan-kaja raika. 8 Aza entina malaky aigny am'fitsarana, ze hitan'ny masonao. Satria ino no ataonao rafa magnano an'ze ahamegnatra an'nao ny mpiara-monina aminao am'farany? 9 Hiadivo hevitra akeo aminao sy ny mpiara-monina aminao fôgna ny raharahanao ary aza mamôka ny tsiambaratelon'ny hafa, 10 fa sao de hitondra fahamegnarana sy laza ratsy momba an'nao le naregny an'nao ka tsy ho laitra ampanginina. 11 Ny paoma volamena akeo am'fitôrana volafotsy de teny nolazaina tam'fotôna mety. 12 Ny peratra volamena na firavaka natao tam'volamena tegna tsara de anatra maha hendry ho an'ny sofigna mitaino. 13 Ny iraka mahatoky de salan'ny hatsekan'ny oram-panala am'fotôna fandidem-bary ho an'reo ze magniraka an'azy; mampiverigna ny aignan'reo tompony izy. 14 Rôndro sy ny rivotra tsisy orana ze mirehareha am'fagnomezana ze tsy nameny. 15 Amin'ny faharetana no handresena lahatra ny mpanapaka ary ny lela malefaka de mety hanapaka tôlagna. 16 Raha mahita tintely anao, de ze ampy an'nao fôgna hohanina__raha tsy zany, de hampandô anao, ny fihinanana betsaka lôtra an'zany. 17 Aza ampidirina matetika lôtra akao an-dragnon'ny namanao ny tongotrao, mety ho leo an'nao izy ka hankahala an'nao. 18 Ny ôlà ze mijoro vavolombelona tsy marina momba ny namany de salan'ny kibay, na sabatra, na zana-tsipìka maragnitra ampiasaina amin'ny ady. 19 Ny ôlà tsy marina ze itokisanao am'fotônan'ny fahorena de salan'ny nify ratsy na tongotra mibolisatra. 20 Ôtran'ny ôlà raika ze magnala ny akanjony amin'ny andro mangatseka, na ôtran'ny vinaigra nafangaro tam'sirahazo ze mikalo hira ho an'ny fo malahelo. 21 Raha nôna ny fahavalonao, de ameo ahanina izy hohaniny, ary raha mangetaheta izy de ameo rano ho sotroina, 22 fa hanambatra vain'afo akeo am'lôhany anao ary hamaly soa an'nao i Yaveh. 23 Ôtran'ny hitondran'ny rivotra avaratra orana tokô, de hamadika ny endrika ho sosy ny lela ze milaza tsiambaratelo. 24 Tegna tsara ny mipetraka akeo am'zoron'ny tafon-tragno toy izay miray tragno amin'ny vady mpiady lava. 25 Ôtran'ny rano mangatseka ho an'ze mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy aigny am'firenena alavitra. 26 Salan'ny lôharano vôhosihosy sy fantsakana rava ny ôlà marina mikoy akeo agnatrehan'ny ôlà ratsy fagnà. 27 Tsy tsara ny mihinana tintely be lôtra; ôtran'ny hoe mikaraka voninahitra miampy voninahitra zany. (Fagnamarihina: ny dikanteny am'zao fotôna zao de magnano filazana hafa an'io andininy raika sarotra io). 28 Ny ôlà tsy managna fifehezan-tena de salan'ny tanàna rava sy tsisy manda.