Faha 24

1 Aza mialona an'reo ze ratsy, na magniry ny hiombogna am'njareo, 2 satria miteti-dratsy hagnano herisetra ny fonjareo ary milaza fahorena ny molotranjareo. 3 Am'fahendrena no ananganana tragno ary am'fahazavan-tsaigna no agnorenana an'azy. 4 Am'fahalalana no hamenòna harena sarobidy sy mahafinaritra daôly reo efitragno. 5 Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny ôlon'ny fahalalana de mampitombo ny heriny; 6 fa am'torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary am'reo mpanolo-tsaigna betsaka no misy fandresena. 7 Ambo lôtra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava akeo am-bavahady izy. 8 Misy ôlà mitetika hagnano ratsy -- antsovin'ny ôlà hoe tômpon'ny tetika izy. 9 Ny tetiky ny adala de fahotana ary ny ôlà de magnano tsinontsino ny mpaniratsira. 10 Raha tonga malemin'ny tàtra amin'ny androm-pahorena anao, de kely ny herinao. 11 Avoto reo ze nalaina hovonòna ary arôvo reo ze mivembena akeo am'famonòna. 12 Raha mitare anao hoe: "Tsy nahafantatra na ino na ino momba an'zany zahay", Le Ray ze mandanja fo ma tsy hahatakatra an'ze lazainao? Le Ray ze miambina ny aignanao, izy ma tsy mahafantatra an'zany? Andriamanitra ma tsy magnome ny tsiraikaraika avy ze mendrika an'azy? 13 Ry zanako, mihinàna tintely satria tsara zany, satria mamy ny tintely mitete am'tohon-tintely raha andramana. 14 Sahala an'zany ny fahendrena ho an'ny fagnanao -- raha hitanao zany, de hisy hoavy ary tsy ho fôgna ny fagnantenanao. 15 Aza magnotrika sala ny ôlà ratsy fagna ze manafika ny tragnon'ny ôlo-marina. Aza mandrava ny tragnony! 16 Fa lavo impito ny ôlo-marina fa tafarina ihany, fa lavo am'loza ny ôlà ratsy fagna. 17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary ôka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintona izy, 18 raha tsy zany de ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho alàny aminazy ny fahasoseny. 19 Aza matàtra noho reo mpagnano ratsy, ary aza mialona ny ratsy fagna, 20 fa tsy mba managna hoavy ny ôlà ratsy ary ny jiron'ny ratsy fagna de ho foaty. 21 Matahôra an'i Yaveh, ary matahôra ny mpanjaka, ry zanako; aza miombogna am'reo ze mikomy aminjareo, 22 fa ho tonga tampoka ny loza ho an'azy reo ary iza no mahafantatra hoe hatra akaiza ny faharavana ze ho tonga amin'izy rôy? 23 Reto ihany kô reo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana am'fitsaran-draharaha am'lalàna. 24 Na iza na iza mitare am'ratsy fagna hoe: "Ôlo-marina anao", de ho ozognin'reo vahôka ary ho halan'reo firenena. 25 Nefa reo ze magnafay ny ratsy fagna de hahazo sitraka ary ho tonga aminjareo ny fagnomezan-tsoa. 26 Ny ôlà ze mamaly amin-kitsim-po de magnoroka akeo am'molotra. 27 Omagno ny asanao akaigny avelagny, ary atôvo vonona ho an'nao aigny an-tsaha ny ra daôly; afaran'zay, de amboaro ny tragnonao. 28 Aza mijoro vavolombelona hanoitra ny mpiara-belona aminao am'tsy antony ary aza mamitaka am'molotrao. 29 Aza mitare hoe: "Ho ataoko aminazy ze efa nataony taminà; ho valeko aminazy arak'ze efa nataony." 30 Nandalo taigny an-tsahan'ny ôlà kamo za, niseragna tam'tanim-bôloboky ny ôlà tsisy saigna. 31 Nagniry taigny daôly taigny ny tsilo; rakotry ny atra ny tany, ary reo vaton'ny manda de rava. 32 De natazagna za ka nisaigna an'zany; nitazana za ka nahazo anatra. 33 Hialaka torimaso kely, faharendremana kely, toho-tagnana kely mba hitsaharana -- 34 de hoavy hanitsaka an'nao ny fahantrana, ary reo filànao de ho ôtra ny maramila mirongo fedena.