Faha 23

1 Rafa mentotra hihinana miaraka am'mpitondra anao, de diniho tsara ze akeo agnolônanao, 2 ary ambagno moso ny tendanao raha ôlà tè mihinan-kanina be lôtra anao. 3 Aza magniry lôtra ny hanim-piny, fa hanignin'ny lainga zany. 4 Aza de miasa mafy lôtra hazaôna harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotôna hitsaharana. 5 Hamela ny masonao hirehitra am'zany ma anao? Ho dify zany, fa ho hari-elatra ôtra ny voromahery tokô zany ka hagnembagna aigny am'lagnitra. 6 Aza mihinana ny hahanin'ny ôlà magnano maso ratsy -- ary aza magniry ny hanim-piny, 7 fa karazan'ôlà magnisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" ozy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony. 8 Halônao ze kely nohaninao ary ho very fôgna ny teny fandokanao. 9 Aza mitare akeo an-tsofign'ny adala, satria hagnamavo ny fahendren'ny teninao izy. 10 Aza magnakisaka ny fefy vato fahizay na magnanika ny sahan'ny kamboty, 11 fa mahery ny Mpagnavotra an'azy regny ary Izy no hisolo vava an'azy reo hanoitra an'nao. 12 Ampagnikeo fampenarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofignao. 13 Aza mitsitsy ny fampenarana tsy ho am'zaza, satria raha magnafay an'azy anao, de tsy ho foaty izy. 14 Anao no tsy maintsy hitaroka an'azy am'tsoraka kakazo ka hamonjy ny fagnany am'Fiaignan-tsy hita. 15 Ry zanako, raha hendry ny fonao, de ho faly ihany kô ny foko; 16 hiravoravo ny aigny agnatiko rafa milaza ze marina ny molotrao. 17 Aza avela hialona an'reo mpagnotra ny fonao, fa mitoera am'fahatahôrana an'i Yaveh lalandava. 18 Misy tokô ny ho avy ary tsy ho fôgna ny fagnantenanao. 19 Mitainò -- anao! -- ry zanako, ary hendre ka hampagnarao am'lalan'ny lalana mahitsy ny fonao. 20 Aza minamana am'mamolava, na am'fatra-pihinan-kena, 21 fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary reo be torimaso de hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy an'azy am'voro-damba. 22 Tainô ny rainao niteraka an'nao ary aza magnano tsinontsino ny reninao rafa antitra izy. 23 Vidio ny marina, fa aza mivarotra an'zany; mividiana fahendrena, fampenarana, ary fahazavan-tsaigna. 24 Hiravoravo tokô ny rain'ny ôlo-marina, ary ze niteraka zaza hendry de ho faly aminazy. 25 Ôka ny rainao sy ny reninao ho faly ary ôka hiravoravo ze niteraka an'nao. 26 Ry zanako, ameo anà ny fonao ary ôka ny masonao hitandrina ny lalako. 27 Fa ny veivavy janga de lavaka laligna, ary fangalan-drano maety ny veivavy ratsy fitondran-tegna. 28 Mandignindigny ôtrany mpandroba izy ary mampitombo ny isan'reo mpamadika akeo am'zanak'ôlombelona. 29 Iza no misy ozogna? Iza no managna alahelo? Iza no managna ady? Iza no managna fitarainagna? Iza no managna fery tsy akôry akôry? Iza no managna maso mivara-mena? 30 Reo ze mifikitra am'divay, reo ze magnandrana ny divay mifangaro. 31 Aza mijery ny divay raha mena zany, rafa manganohano akao am'kapôka zany ka miidigna tsimoramora. 32 Am'farany zany de magnekitra ôtra ny bibilava ary manindrogna ôtra ny menaragna. 33 Hahita ra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamôka ra mamôfady. 34 Ho ôtra ny ôlà ze matory akeo am'ranomasina magnonja anao na matory akeo an-tampon'ny andrin-tsambo. 35 "Namely anà regny," ozy anao, "fa tsy vô za. Nitaroka anà regny, fa tsy tsapako zany. Ovena za no hifô? Hikaraka ho sotròna hafa ndre za."