Faha 22

1 Aleo misafidy ny laza tsara toy zay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka. 2 Ny mpanan-karena sy ny mahantra de samy managna an'zany -- Yaveh no mpahary an'azy daôly. 3 Ny ôlà mailo mahita ny loza ka misitrika, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho zany. 4 Ny valisôn'ny fagnetren-tegna sy fahatahôrana an'i Yaveh de harena, voninàtra, ary fiaignana. 5 Ny tsilo sy ny fandrika no akeo am'lalan'ny maditra; fa ze miaro ny aignany de hagnalavitra an'azy reo. 6 Ampenaro am'zaza ny lalana tokony andianany ary rafa geda izy de tsy hiala am'zany fampenarana zany. 7 Manapaka akeo amin'ny ory ny mpanan-karena ary ze mindrana de ho andevozin'ze nampindrana. 8 Ze mamafy ny tsy rariny de handidy fahorèna ary halazo ny tsorakakazon'ny fahasoseny. 9 Ze managna maso be fentrana de hotahiana, satria mizara ny mofony am'mahantra izy. 10 Roaso ny mpaniratsira de ho lasana ny fifandirana; hijanona ny ady sy ny fanivativana. 11 Ze tè fo madio sy ze milaza fahasoavana, de hanagna ny mpanjaka ho namany. 12 Ny mason'i Yaveh de miambina hatraigny ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika de ravainy. 13 Ny ôlà malaigna magnano hoe: "Misy liona aigny an-dalana! Ho foaty aigny an-kalamanjana za." 14 Ny vavan'ny veivavy janga de lavaka laligna; mihetsika am'ze daôly latsaka akao ny fahasosen'i Yaveh. 15 Miraikitra am'fon'ny zaza ny adalana, nefa ny tsoraka kakazo famaizana hampahafaka an'zany. 16 Ze mampahory ny ôlà mahantra de mampitombo ny harenany, ary ho tonga am'fahantrana ze magnome ny mpanan-karena. 17 Atsikilagno ny sofignao ary mitainô an'reo tenenin'ny hendry ka hampagnikeo ny fahalalako ny fonao, 18 satria hahafinaritra an'nao reo raha tandreminao akao aminao, raha vonona akeo am'molotrao izy daôly. 19 Ho akao amin'i Yaveh noho zany ny fahatokisanao, mampianatra an'nao an'zany za gniany -- anao de anao. 20 Za ma tsy efa nanoratra ohabolagn'ny fampenarana sy fahalalana telopolo ho an'nao, 21 mba hampenarana an'nao ny marina am'reo teny hatokisana reo, mba hagnomezanao valin-teny hatokisana am'reo ze nagniraka an'nao? 22 Aza mandrava ny malahelo satria mahantra izy, na magnosihosy ny ory akeo am-bavahady, 23 fa Yaveh no hisolo vava an'azy reo, ary Izy handroba ny aignan'reo ze nandroba an'azy reo. 24 Aza misakaiza amin'ny ôlà ze fehazin'ny fahasosena ary aza miaraka am'ze romotra, 25 sao anao hianatra ny fanaony ary hahazo fandrika ho an'ny fagnanao. 26 Aza mety ho isan'ze magninji-tagnana am'fiantôna, na madity trosa. 27 Raha tsy managna halô anao, ino ma no hahasakana ny ôlà tsy hialaka ny fandrena handrenao? 28 Aza magnakisaka ny fefy vato fahizay ze efa napetraky ny razagnareo. 29 Mahita ôlà kinga amin'ny asany ma anao? Hitsangana akeo agnolônan'reo mpanjaka izy; tsy hitsangana akei agnolônan'ny ôlà mahazatra izy.