Faha 21

1 Ny fon'ny mpanjaka de rano mikorigna akeo an-tagnan'i Yaveh; haviliny aigny amin'ny hitiavany an'azy zany. 2 Ny lalan'ôlà daôly de mahitsy akeo amasony ihany, fa Yaveh no mandanja ny fo. 3 Ze magnano ny marina sy mahitsy de sitrak'i Yaveh mandombolombo ny sorogna. 4 Ny fiavognavognan'ny maso sy fireharehan'ny fo -- ny jiron'ny ratsy fagna -- de fahotana. 5 Reo fikasan'ny mazoto de mitarika makaigny am'fagnambinana ihany, fa ny ôlà daôly ze maimaika lôtra de tonga am'fahantrana ihany. 6 Ny fahazahôna harena am'lela mandainga de entina mihelina ary fandrika mamono. 7 Ny herisetran'ny ratsy fagna de hisintona an'njareo, satria mandà ny hagnano ze rariny zareo. 8 Miolakolaka ny lalan'ny ôlo-meloka, fa ny ôlà ze madio de magnano ze marina. 9 leo mentotra akeo am'zoron'ny tafo noho ny miray tragno am'vady mpila ady. 10 Ny hanohanan'ny ratsy fagna de magniry fatratra ny ratsy; tsy mahita fahatsarana akeo am'masony reo namany izy. 11 Rafa faizina ny mpaniratsira, de ho hendry ny kely saigna, ary rafa anarina ny ôlà hendry, de hitana fahalalana izy. 12 Mandinika ny tragnon'ny ôlà ratsy fagna ny ôlo-marina; mitondra ny ôlà ratsy fagna ho am'loza izy. 13 Ny ôlà ze manampina ny sofigny am'fitaraignan'ny mahantra, de mbôla hitaraigna ihany kô, nefa tsy hisy hamaly an'azy. 14 Ny fagnomezana mangingina mampitony ny hasosena ary ny fagnomezana misitrika de mampilefy ny fahasosena mafy. 15 Rafa vita ny fitsarana, de mitondra fifalena ho an'ny ôlo-marina zany, nefa mitondra horohoro ho an'reo mpagnano ratsy zany. 16 Ze mirenireny miala am'lalan'ny fahazavan-tsaigna, de hijanona akao am'fiangonan'ny maty. 17 Ze tè fahafinaretana de hahantra; ze tè divay sy diloilo de tsy hanan-karena. 18 Ny ôlà ratsy fagna de solovaika ho an'ny ôlo-marina, ary ny ôlà mpamitaka de vidim-pagnavotana ho an'ny ôlà mahitsy. 19 Aleo mipetraka aigny an-tany efitra toy zay miaraka am'vady mpifanditra sy sosy. 20 Harena sarobidy sy menaka no akao an-dragnon'ny hendry, fa ny ôlà adala kosa mandany an'reo. 21 Ze magnano ny marina sy tsara fagna -- zany ôlà zany de hahita ny fiaignana, fahamarinana, ary voninàtra. 22 Ny ôlà hendry magnanika ny tanàna'reo mahery, ary mandrodana ny ferôvana mafy ze natokisan'reo. 23 Na iza na iza miambina ny vavany sy ny lelany de miaro ny tegnany am'fahorena. 24 Ny ôlà miavognavogna sy mirehareha__"Mpaniratsira" no agnarany__de magnano fihetsika feno fiavognavognana 25 Ny fagnirin'ny kamo de mahafaty an'azy, satria mandà ny hiasa ny tagnany. 26 Magniry fatratra mandritra ny indray andro manontolo izy, fa ny ôlo-marina de magnome sady tsy kahihitra. 27 Mamparikoriko ny sorogna avy am'ratsy fagna; mamparikoriko mandombolombo aza zany rafa mitondra an'zany amin'ny antony ratsy izy. 28 Ho foaty ny vavolombelona sandoka, fa ny ôlà ze mitaino de hitare am'fotôna daôly. 29 Ny ôlà ratsy fagna de magnamafy ny endrigny, fa ny ôlà mahitsy de matoky am'lalany. (Fagnamarihina: ny sanagny am'reo dikan-teny vaovao de magnano hoe: fa ny ôlà marina mihevitra an'ze handianany.) 30 Tsisy fahendrena, tsisy fahalalana, ary tsisy torohevitra afaka mijoro hanoitra an'i Yaveh. 31 Ny sôvaly nomagnina ho amin'ny andron'ny ady, nefa an'i Yaveh ny fandresena.