Faha 31

1 Reo tenin'i Lemoela mpanjaka__anatra nampianarin'ny reniny an'azy. 2 Ino, ry zanako? Ino zany, ry zanaky ny kiboko? Ino no karanao, ry zanaky ny voadiko? 3 Aza amena ny veivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'reo ze mamotika ny mpanjaka. 4 Zany de tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'reo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpitondra mba hagnotany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?" 5 Fa sao tsy tsarôvanjareo ze efa voadidy, ary hamadika ny marina ho am'fahorena daôly izy. 6 Ameo tôaka ny ôlà ze efa ho foaty ary divay ho an'reo agnaty fahorena mangidy. 7 Hisotro izy ary hagnadino ny fahantrany ary tsy tsarôvany ny fahoreny izy. 8 Mitenena ho an'reo ze tsy afaka miteny, ho an'ny adin'ze daôly efa ho foaty. 9 Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny ôlà mahantra sy ory. 10 Iza no afaka mahita veivavy tegna tsara? Ny tombagny de mandombolombo ny firavaka. 11 Ny fon'ny vadiny mitoky aminazy, ary tsy hahantra mihitsy izy. 12 Magnano zava-tsoa ho an'azy izy ary tsy magnano ratsy amin'ny andro daôly hiaignany. 13 Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafalena am'tagnany. 14 Salan'reo sambon'ny mpivaro-mande izy; avy alavitra no itondrany ny ahanina. 15 Mifôha izy raha mbôla alina ary magnome ahanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'reo mpanompo vaviny. 16 Izy no mizaha ny saha ary mividy an'zany, am'vokatry ny tagnany no amboleny vôloboka. 17 Mampitafy hery ny tegnany izy ary mampatanjaka ny sandriny. 18 Mahafantatra an'ze mety ho tombony tsara ho an'azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony de tsy maty. 19 Apetragny akeo amin'ny ampela ny tagnany, ary tanany ny fitazonam-bohavoha. 20 Magnatsotra ny tagnany amin'ny ôlà ory izy; mamelatra ny tagnany amin'ny ôlà mahantra izy. 21 Tsy matàtra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany daôly de mitafy volon'ondry mena. 22 Magnambôtra firakotra ho an'ny fandrenany izy, ary mitafy akanjo rongony manify volomparasy. 23 Ny vadiny no fantatra akao am'vavahady, rafa mipetraka miaraka am'lôholon'ny tany izy. 24 Magnambôtra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra an'reo, ary namatsy samboady ho an'reo mpivarotra izy. 25 Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy am'fotôna ho avy izy. 26 Manokatra ny vavany am'fahendrena izy ary akeo am'lelany ny lalàn'ny hatsaram-pagnà. 27 Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalaignana. 28 Mitsangana ny zanagny ka magnantso an'azy hoe sambatra, ary midera an'azy ny vadiny, magnano hoe: 29 "Maro ny veivavy efa nagnano ny tsara, nefa mandombolombo an'azy daôly anao." 30 Fitaka ny fahatsaram-bika, zava-pôgna ny hatsaram-tarehy, fa ny veivavy matàtra an'i Yaveh, no ho deraina. 31 Ameo an'azy ny vokatry ny tagnany ary ôka ny asany hidera an'zy aigny am'vavahady.