Faha 19

1 Tsara tegna tsara ny ôlà mahantra ze mande am'fahitsiny noho ny ôlà mivadika am'teniny ary adala. 2 Ary kô, tsy tsara ny managna fagnirina tsisy fahalalana ary ze mihazakazaka mafy lôtra de ho diso lalana. 3 Ny hadalan'ny ôlà no mamotika ny fiaignany ka amin'i Yaveh no sosy ny fony. 4 Mahabe namana ny harena, fa ny ôlà mahantra kosa de tafasaraka am'reo namany. 5 Ny vavolombelona sandoka de tsy ho afa-maigna ary ze mamôka lainga de tsy ho afa-bela. 6 Maro ny hila sitraka amin'ôlà malala-tagnana ary ny daôly de naman'ze manolotra fagnomezana. 7 Halan'ny rahalàny daôly ny ôlà mahantra; ka maika fa reo namany ze magnalavitra an'azy! Hagnantso an'njareo izy, nefa efa lasana zareo. 8 Ze mahazo fahendrena de tè ny aignany; ze mitana ny fahalalana de hahita soa. 9 Ny vavolombelona sandoka de tsy ho afa-maigna, fa ze mamôka lainga kosa de ho foaty. 10 Tsy manjary amin'ny adala ny miaigna amin'ny harena mahafinaritra-- mainka fa ny hanapahan'ny andevo akeo am'reo andriandahy. 11 Ny fahamalinana mahatonga ny ôlà tsy ho mora sosy ary voninàtra ho an'azy ny tsy mitazagna ny fahadisôna. 12 Ny fahasosen'ny mpanjaka de ôtra ny fitrerogn'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa de ôtra ny ando amin'ny ahitra. 13 Ny zanaka adala de faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra de ôtra ny rano mitete tsy tapaka. 14 Ny tragno sy harena lo lova avy am'ray aman-dreny, fa ny vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh. 15 Ny hakamôna de mandatsaka ny ôlà agnaty torimaso laligna, fa ze tsy vonona hiasa kosa de ho nôna. 16 Ze mankatò ny didy de miaro ny aignany, fa ny ôlà ze tsy mihevitra ny lalany kosa de ho foaty. 17 Re daôly ze mihantra ny mahantra de mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho reo ze nataony. 18 Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fagnantenana ary aza entim-pagnirina hamono an'azy. 19 Ny ôla be kizintigna de tsy maintsy magnefa ny sazy; raha mamonjy an'azy anao, de tsy maintsy hamerigna an'zany fanindrôny anao. 20 Tandrigneso ny torohevitra ary ekeo ny fampenarana, mba ho tonga hendry anao aigny am'fefaran'ny fiaignanao. 21 Betsaka ny fikasàna akao am-pon'ny ôlà, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra. 22 Ny tsy fivadena no irian'ny ôlà ary tsara kokô ny ôlà mahantra noho ny mpandainga. 23 Ny fagnomezam-boninàtra an'i Yaveh no mitarika ny ôlà am'fiaignana; ze daôly managna an'zany de ho afa-po ary tsy ampahoren'ny ratsy. 24 Ny kamo de handevigna ny tagnany akao agnaty vile; tsy hamerigna hampiakatra an'zany akao am-bavany izy. 25 Vileso ny mpaniratsira, de ho mailo ny ôlà bado; anaro ze ôlà manan-tsaigna, de hahazo fahalalana izy. 26 Ze mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny de zanaka mitondra hegnatra sy fahafaham-baraka. 27 Raha mijanona ny mihaino fampianarana anao, ry zanako lahy, de hania hiala am'reo tenin'ny fahalalana anao. 28 Ny vavolombelona mpivadika de maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fagna miteligna heloka. 29 Vonona ho an'reo mpaniratsira ny fanamelòna ary ny taroka ho am'lakambon'ny adala.