Faha 18

1 Ze mitokantegna de mikaraka ny fagniriny manokana ary mifanditra am'fitsaràna tsara daôly izy. 2 Ny adala de tsy mahita fahafinaretana am'fahazavan-tsaigna, fa am'fanambarana ze akao am-pony ihany. 3 Rafa misy ôlà ratsy fagna tonga, de tonga miaraka aminazy ny fagnamavôna -- miaraka am'hegnatra sy fahafaham-baraka. 4 Rano ny tare avôkan'ny vavan'ny ôlà; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena. 5 Tsy tsara ny miangatra amin'ny ôlà ratsy fagna, na mandà ny rariny amin'ny ôlo-marina. 6 Ny molotry ny adala de mitondra ady ho an'azy ary ny vavany mikatsika taroka. 7 Ny vavan'ny adala no faharavàny ary mamandrika ny tegnany am'molony izy. 8 Ny tenin'ny mpifosa de ôtra ny poti-kanina matsiro ary midigna aigny agnatin'ny vatagna reo. 9 Ze mivagnavagna amin'ny asany ihany kô de rahalàn'ze tegna mamotika. 10 Tilikambo mahery ny agnaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka vôaro. 11 Ny harenan'ny mpanan-karena no tanàna vôarony ary sala ny manda ambo akao agneritreriny. 12 Melô ny faharavàny de mirehareha ny fon'ny ôlà, fa ny fagnetrentegna no tonga alôn'ny voninàtra. 13 Ze mamaly alôn'ny fitainòna -- de adalana sy hegnatra ho anazy zany. 14 Zakan'ny fagnahin'ny ôlà ny fahararena, fa iza no hahazaka an'zany fagna torotoro zany? 15 Ny fon'ny manan-tsaigna de mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mikaraka an'zany. 16 Ny fagnomezan'ny ôlà de mety hanokatra lalana sy hitondra an'azy akeo agnolônan'ny ôlom-be. 17 Ze vôlôny mitondra ny raharahany de ôtra ny marina mandra-patongan'ny mpifagnandrina aminazy ka hagnontany an'azy. 18 Ny filokana de mandamina fifandirana sy magnasaraka an'reo mpifagnandrina mahery. 19 Ny rahalà tafitòna de sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana ôtra ny hidin'ny lapa. 20 Avy am'vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ôla raika; am'vokatry ny molony no mahafa-po an'azy. 21 Ny fahafatesana sy aigna de fehezin'ny lela, ary reo ze tè ny lela de hihinana ny vokany. 22 Ze leilà mahita vady de mahita ra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh. 23 Ny ôlà mahantra de mengavy famindram-po, fa ny ôlà manan-karena kosa mamaly maseka. 24 Ze milaza managna namana betsaka de ho ravainjareo,fa misy namana ze ankeky mandombolombo ny rahalà.