Faha 17

1 Tsara kokoa ny miaigna mangingigna miaraka am'tapa-mofo noho ny akao am'tragno feno hanina misy fifandirana. 2 Ny mpanompo hendry de hanapaka akeo am'zanagny ze magnano toetra mamegnatra ary hiray am'reo rahalà. 3 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny lafaoro fandrendrehana ho an'ny volamena, fa Yaveh no manefy ny fo. 4 Ny mpagnano ratsy mitaino ny molotry ny ratsy fagna; manongilan-tsofina am'lela mpandringana sy mpandainga. 5 Na iza na iza magneso ny malahelo de miteny ratsy ny Mpahary an'azy ary ze mifaly am'fahavoazana de tsy afa-bela am'famaizana. 6 Satro-boninàtran'ny antitra ny zafy ary mitondra voninàtra ho an'reo zanagny ny ray aman-dreny. 7 Ny kabary tsara lahatra de tsy mety amin'ny adala; ka ndrindra fa ny molotra mpandainga ho manjary ho an'ny fianakaven'ny mpanjaka. 8 Ôtra ny vato mahagaga ny kolikoly ho an'ny ôlà ze magnome an'zany; na iza na iza itodeny, de mahômby izy. 9 Ze manarogna hegnatra de mikaraka fitiavana, fa ze mamerigna ny fahadisôna talô de mampisaraka an'reo mpisakaiza ankeky. 10 Miditra lalindaligna aigny amin'ny ôlà ze managna fahazana-tsaigna ny teny mafy noho ny taroka in-jato mankaigny amin'ny adala. 11 Ny ôlon-dratsy de mikaraka fitsibadena fôgna, ka de halefa hanoitra an'azy ny iraka lozabe. 12 Aleo mifanegna amin'ny bera very zanaka tsy zay amin'ny adala am'fahadalany. 13 Raha misy ôlà mamaly ratsy ny tsara, de tsy hiala ny tragnony mandrakizay ny ratsy. 14 Ny fendohan'ady de ôtra ny ze mamela ny rano hiparitaka am'ze tèny handianana, ka de alaviro ny fifandirana dieny mbôla tsy vaky zany. 15 Ny ôlà ze magnamarina ny ôlon-dratsy ary ny ôla ze magnameloka ny ôlo-marina -- de samy mamôfady akeo amin'i Yaveh reo. 16 Nagnino ny adala no tokony handô vola mba hianatra momba ny fahendrena, nefa izy tsy managna fahafahana ny hianatra an'zany? 17 Ny sakaiza de tè am'fotôna daôly sady rahalà nateraka ho am'fotônan'ny fahorena. 18 Ny leilà tsisy saigna magnano fampagnantenana mamatotra ka tonga tompon'antoka am'trosan'ny namany. 19 Na iza na iza tè ady de tè heloka; ze magnano ny tokonam-baravarany ho ambo lôtra de magnapotika ny tôlagna. 20 Ny ôlà ze managna fo maditra de tsy hahita na ino na ino tsara; lavo am'loza ze managna lela mpamitaka. 21 Na iza na iza ray aman-drenin'adala de mitondra alahelo ho an'ny tegnany; ary tsy managna hafalena ny rain'ny adala. 22 Fagnafody tsara ny fo miramirana, fa ny fagna ketraka kosa mahamaigna ny tôlagna. 23 Ny leilà ratsy fagna mankasitraka kolikoly misitrika mba hamadena an'reo lalan'ny rariny. 24 Ny ôlà ze managna fahazavan-tsaigna de mampitodika ny ny tareny mankaigny am'fahendrena, fa ny mason'ny adala kosa mitodika aigny am'reo vazan-tany. 25 Ny zanaka adala de alahelo ho an'ny rainy ary fangidìna ho an'ny veivavy ze niteraka an'azy. 26 Ary kô, tsy tsara mihitsy ny magnasazy ny ôlo-maria; na mitaroka ôlà mendri-kaja ze managna fahitsina. 27 Ze manam-pahalalana mampiasa teny fohy ary ze managna fahazavan-tsaigna de mahatsindry fo. 28 Na de adala aza heverina ho hendry raha ôtra ka mangigna; rafa manakombom-bava izy, de heverina ho manan-tsaigna