Faha 15

1 Ny valin-teny moramora de mampilamina ny hasosena, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosena. 2 Ny lelan'ny hendry mahatonga fahaizana, fa ne vavan'ny adala kosa mamôka hadalana. 3 Fa am'zao tany daôly zao ny mason'i Yaveh, fa mandenika ny ratsy fagnahy sy ny tsara fagnahy izy. 4 Ny leila magnasitrana de kakazon'aigna, fa ny lela mpamitaka de mandratra ny fagnahy. 5 Ny adala de magnamavo ny fagnanaran-drainy, fa ze mandramby ny fagnanarana no hendry. 6 Akao andragnon'ny ôlo-marina no misy harembe, fidiram-bolan'ny ratsy fagnahy kosa de magnome fahorena an'azy. 7 Ny molotry ny hendry de magnaparitaka fahaizana amampahalalana, fa tsy ôtran'zany kosa ny fon'reo adala. 8 Mankahala ny fagnatitr'reo ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ny vavaky ny ôlo-mahintsy no sitragny. 9 Mankahala ny fomban'ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ze magnaraka ny marina no teny. 10 Famaizana mafy ny mahazo ny ôla mivily lalana, ary ze mankahala fagnanarana de ho foaty. 11 Ny fiaignan-tsy hita sy ny fandringianana aza de miharihary agnatrehan'i Yaveh; ka maika fa ny fon'ny zanak'olombelona? 12 Ny mpaniratsira de sosy amin'ny fagnanarana an'azy; tsy hankaigny amin'ny hendry mintsy izy. 13 Ny fo ravoravo de mahamiramiran-kendrika, fa ny alahelon'ny fo kosa de mandreraka ny fagnahy. 14 Ny fon'ny manan-tsaigna de mikaraka fahendrena, fa ny vavan'ny adala mihinana fahadalana ihany. 15 Ratsy daôly ny andron'ny ory daôly, fa ny fo ravoravo de miramirana lalandava. 16 Aleo kely amin'ny fahatahôrana an'i Yaveh toy'zay harem-be misy tsi-fahamarinana. 17 Aleo ahanina misy laoka agnana feno fitiavana, toy izay aomby mifahy arahin-dromoromo. 18 Ny ôla mora sosy de tsy ialan'ady, fa ny ôla mahay manindry fo de mahay magnafôgna ny fifandirana. 19 Ny lalan'ny kamo de ôtran'ny tôrana misy bako tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy de ôtran'ny lalambe vômbôtra tsara. 20 Ny zanaka hendry de mitondra fifalina hoan'ny rainy, fa ny ôla adala de magnano tsisy dikany ny reniny. 21 Mahafinaritra ny ôla tsy ampy saigna ny adalana fa ze manan-tsaigna de momba amin'ny lalana mahitsy. 22 Mandamoka ny tetika rafa tsy ampy fandinina, kanefa refa misy mpanolontsaigna de mahomby zany. 23 Mahita hafalina ny ôla rafa magnome valiny mahafapo izy tsara ny teny rafa vôlaza amin'ny fotônany! 24 Mitondra ny ôlon-kendry miaraka agnambo ny lalam-piaignana mba hagnalaviran-jareo ny fiaignan-tsy hita aigny ambanin'ny tany. 25 Ho poten'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fanagnan'ny mpitondra tegna izy. 26 Mankahala ny fisaignan'ny ôla ratsy fagnahy Yaveh, fa ny tenin'ny tsara fagnahy de madio. 27 Mitondra olagna am'fianakaveny ny mpangalatra, fa ny ôla mankahala tsolotra de ho velona. 28 Ny fon'ny marina de misaintsaigna alôn'ny hamaleny, fa ny vavan'ny ratsy fagnahy kosa mamôka ny ratsy akao ampony. 29 Lavitra an'ze ratsy fagnahy Yaveh, fa mitaino ny vavaky ny ôlo-marina Izy. 30 Ny fahazavan'ny maso de mitondra fifalina amin'ny fo, fa ny vaovao tsara de fahasalamana hoan'ny vatagna. 31 Raha magneky ny fagnitsina ataon'ôla am'momba ny fiaignanao anao, de hipetraka amin'ny tôran'reo ôla hendry. 32 Ze mandà anatra de magnano tsisy dikany ny tegnany, fa ze mino fagnanarana kosa de mahazo fahazavan-tsaigna. 33 Mampianatra fahendrena ny fatahôrana an'i Yaveh, ary fagnetrentegna no mialô ny voninahitra.