Faha 13

1 Mino ny fagnanaran-drainy ny zanaka hendry, fa ny mpaniratsira de tsy mino anatra mintsy no de faizina mafy. 2 Avy amin'ny vokatry ny vavan'ôla no ahazaôna ra tsara, fa ny mpamitaka kosa de magnomagna ady. 3 Ze mahafe ny vavany no miaro ny aignany, fa kasivava de mamotika ny tegnany ihany. 4 Ny ôla kamo de magniry nefa tsy mahazo na ino na ino, fa ny ôla mazoto kosa de hoafa-po am'ze ataony. 5 Ny ôla-marina de mankahala laingo, fa ny ôla ratsy fagnahy kosa de magnano ny tegnany ho mamparikoriko, ary magnano an'ze mamegnatra izy. 6 Ny fahamarinana de miaro an'reo ze mande tsisy tsigny, fa ny faharatsina de mamotika an'reo ze magnota. 7 Misy ôla mihambo ny tegnany ho mpanankarena, nefa tsy managno na ino na ino mintsy ary misy ôla mahafoy ny ra daôly, kanefa tegna manan-karena. 8 Ny harenan'ny ôla mpanan-karena no amonjeny ny aignany fa ny ôla mahantra tsy maregny fampitahôrana. 9 Ny hazavan'ny ôlo-marina de mazava tsara, fa ny jiron'ny ratsy fagnahy de hofoaty. 10 Fifandirana no vokatra ateraky ny avognavogna, fa ho an'reo ze mitaino toro-hevitra tsara no misy fahendrena. 11 Hihegna ny harena rafa be lôtra ny zava-pôgna andaniana an'azy fa efa mitady vola amin'ny asan'ny tagnany de hampitombo ny volany. 12 Refa mihegna ny fagnantignana, de mandratra fo zany, fa ny fagniriana tanteraka no kakazon'aigna. 13 Ze mankahala ny fampianarana de ahavery ny tegnany, fa ze magnaja ny didy de ahazo valisoa. 14 Ny fampianaran'ny ôlon-kendry de lôranon'aigna, miaro an'nao amin'ny fandriky ny fahafatesana. 15 Ny fahendrena tsara de ahazaôna fitia, fa ny lalan'ny mpamadika de ho sarotra mandrakizay. 16 Ny ôla mahiratsaigna de mandray ny fanapan-kevitra amin'ny fahaizana daôly, fa ny adala de mampiariary ny hadalany. 17 Ny iraka ratsy fagnahy de ho tafalatsaka agnaty fahorena, fa ny tsara kosa mitondra fampihavanana. 18 Ze tsy miraharaha fampianarana de ahantra sy ho megnatra, fa ho an'ze magneky ny fagnanarana sy fagnitsina ny voninahitra. 19 Ny fagnirina tanteraka de mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialàna amin'ny ratsy. 20 Miaraha lalana amin'ny ôlon-kendry de ho hendry anao, fa ny naman'ny adala de hijaly amin'ny ratsy. 21 Magnenjika ny mpagnota ny loza, fa ny ôla-marina de amena valisoa amin'ny tsara. 22 Mamela lova hoan'ny zafiny ny ôla tsara, fa ny harenan'ny mpagnota de vôtahiry hoan'ny ôlo-marina. 23 Ny tany ze tsy mbôla vôasan'reo mahantra de afaka mamokatra ahanina betsaka, fa vôfafa amin'ny tsy rariny zany. 24 Ze tsy magnitsy ny zanagny de mankahala an'azy, fa ze te ny zanagny kosa de magnanatra sy magnafay an'azy tsara. 25 Ny ôlo-marina de ihinana mandra-pahavokiny, fa ny kebon'ny ratsy fagnahy de ho nôna isan'andro isan'andro.