Faha 6

1 Am'zao mitainô an'ze lazain'i Yaveh: "Mitsangàna ary alaharo akeo agnatrehan'reo tendrombotra ny raharahanareo; ôka reo tanety handregny ny feonareo. 2 Mitainô ny adin'i Yaveh, anareo tendrombotra, sy anareo fagnambany maharitry ny tany. Fa managna ady am'vahôkany i Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely akeo am'fitsarana Izy." 3 "Ry ôloko, ino no nataoko an'nareo? Nanakôry no nandrerahako an'nareo? Mitsangàna ho vavolombelona hanohitra Anà! 4 Fa nindesiko niakatra hivôka ny tany Egypta anareo ary navotako hivôka ny tragno fagnandevozagna. Nagniraka an'i Mosesy, Arona, ary Miriama taminareo Za. 5 Ry ôloko, tsarôvo ze noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalen'i Balama zanak'i Beora an'azy raha nande nankaigny Sitima ka hatraigny Gilgala anareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh." 6 Ino no tokony ho ndesiko ho an'i Yaveh, raha menkòka akeo amin'Andriamanitra Avo za? Tokony ho tonga akeo Aminazy miaraka am'fagnatitra dorôna, am'zanak'aomby herintaona ma za? 7 Yaveh ma hankasitraka ondrilahy agn'arivony, na ognina menaka agn'aliny? Tokony hagnolotra ny lahimatoako noho ny heloko ma za, le naterako noho fahotako ihany? 8 Efa niteny an'nao Izy, ry ôlà, hoe ino ny tsara, ary ino no taken'i Yaveh aminao: Magnanôva ny marina, tiava amim-pahatsorana, ary mandiana amin-panitren-tegna miaraka amin'Andriamanitrao. 9 Magnano fagnambarana am'tanàna ny feon'i Yaveh__ na ny fahendrena aza am'zao de miaiky ny agnaranao: "Tainô ny tsoraka-kakazo, sy ny ôlà ze nametraka an'zany tam'fitôrany. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Tainô ny tsoraka-kakazo sy ny ôlà ze nametraka an'zany takao am'fitôrany" no akao am'lahatsoratra Hebreo, sy reo dikan-teny sanagny vaovao magnano hoe: "Mitainô, ry foko, sy ze miara-miangona akao an-tanàna.") 10 Misy harena akao an-dragnon'ny ratsy fagnà tsy marina, ary fandrefesana mandaiga ze fahavetavetana. 11 Tokony hihevita ny ôlà ho tsy manan-tsigny ma Za raha mampiasa mizàna mandainga izy, miaraka amin'ny harogna fandanjana mamitaka? 12 Feno herisetra ny mpanan-karena, nefa nilaza lainga reo mponina, ary mpamitaka ny lelany akao am-bavany. 13 Noho zany de namely an'nao tam'ratra maharary Za, efa nataoko ho rava noho reo fahotanao anao. 14 Hihinana anao fa tsy ho afa-po; hijanona akao agnatinao ny hanoananao. Hihary harena anao fa tsy hahangona, ary ze azonao de hameko ny sabatra. (Fagnamarihina: Sarotra takarina ny ampahany am'ty andininy ty, satria misy teny Hebreo rôy akao am'zany ze tsy fantatra ny dikany. Vokatr'zany, reo vakiteny maro samihafa de nanolotra fa magnaraka ny dikan-teny sanagny vaovao.) 15 Hamafy anao fa tsy handidy; hagnitsakitsaka oliva anao fa tsy hosotra menaka; hagnosihosy vôloboka anao fa tsy mba hisotro divay. 16 Reo fitsipika nataon'i Omry de efa vôtandrina, ary reo asan'ny taranak'i Ahaba daôly. Mande araka ny torohevitr'zareo anao. Ka hataoko, ho faharavana, anao ry tanàna, ary ra mampisitrisitra anareo ry mponina, ary hizaka latsa ôtran'ny vahôkako anareo. (Fagnamarihina: Ny lahatsoratra Hebreo de magnano hoe: "Hizaka latsa ôtran'ny ôloko anao", reo dikan-teny Grika talôha magnano hoe: "Hizaka ny latsan'reo firenena anao." Reo dikan-teny vaovao sanagny de magnaraka an'io vakiteny io.)