Faha 7

1 Lozako! Fa aminà zany de ôtran'ny ho tapitra ny fitangosana vônkazo, sady fanangonana ny ambim-bôloboka kô akao am'tanim-bôloboka: Tsisy sampam-bôloboka hita ntsony, tsisy tam'reo aviavy nialin-taona ze niriako fatratra. 2 Nanjavona tam'tany ny ôlà mahatoky, tsisy ôlo-mahitsy akao amin'ny ôlombelona daôly. Mikotrika handatsa-drà zareo daôly; ny tsiraikaraika mihaza ny rahalàny amin'ny haratony ihany. 3 Matselaka am'fagnanôvan-dratsy ny tagnanjareo: mitaky vola reo mpitondra, vonona am'kolikoly ny mpitsara, ary milaza am'reo hafa ze tèny ho azo ny leilà matanjaka. De salan'zany no iarahany miteti-dratsy. 4 Ny tsara indrindra aminjareo de ôtran'ny roy, ny mahitsy indrindra de fefy tsilo. Zany de andro efa vôlazan'reo mpitilinao melôha, de ny andro famaizana an'nareo. Zao no fotônan'ny fahaverezan-kevitr'zareo. 5 Aza mahatoky mpiara-belona; aza mametra-pitokisana am'namana. Tandremo ze lazainao na de am'veivavy ze mandry akeo an-tsandrinao aza. 6 Fa haniratsira ny rainy ny zanaka lahy, hitsangana hanohitra an-dreniny ny zanaka vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-baviny. Ny ôlà akao an-dragnony ihany no fahavalon'ny ôlà. 7 Fa raha za alôha, de hitazagna an'i Yaveh za, handigny ny Andriamanitry ny famonjena anà za; hitaino anà ny Andriamanitro. 8 Aza mifaly aminà, ry fahavaliko. Fa rafa lavo za, de hiarina ndre. Raha mipetraka akao amin'ny aizigna za, de Yaveh no ho fahazavana ho anà. 9 Satria nagnota tamin'i Yaveh za, de hizaka ny fahasoseny mandra-pandavany ny teniko, sy hagnatanterahany fitsarana ho anà. Hitondra anà ho akeo am'fahazavana Izy, ary hahita an'Azy magnavotra anà akao am'fahamarinany za. 10 De hahita an'zany reo fahavaloko, ka ny hegnatra no hanarogna an'ze niteny taminà hoe: "Aiza Yaveh Andriamanitrao?" Hijery an'azy ny masoko; ho vôhosihosy ôtran'ny fotaka aigny an-dalana izy. 11 Ho tonga ny andro hananganana ny mandanao; am'zany andro zany de hitarina hatraigny alavitra reo faritaninao. 12 Am'zany andro zany de ho tonga aminao ny vahôkanao, avy aigny Asyria sy reo tanàna aigny Egypta, avy aigny Egypta ka hatraigny am'renirano geda, Eofrata, avy am'ranomasina ka hatraigny am'ranomasina, ary avy am'tendrombotra ka hatraigny am'tendrombotra. 13 Reo tany reo de lôsana noho ny vahôka ze mipetraka akao am'zao, noho ny vokatry ny asanjareo. 14 Ambeso am'tsoraka-kakazonao ny vahôkanao, de ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mijanona rerika aigny agnaty ala zareo, akeo ampovônin'ny tanimboly. Ôka zareo handraoka aigny Basana sy Gileada ôtran'ny tamin'ny andro talôha. 15 Ôtran'ny tamin'ny andro ze nivoahanao ny tany Egypta, de haneho fahagagana an'njareo Za. 16 Hatazagna ary ho megnatry ny heriny daôly reo firenena. Hitampim-bava zareo; haregnina ny sofinjareo. 17 Hilelatra ny jofo ôtran'ny bibilava, ôtran'ny zava-boaary ze mikisaka am'tany zareo. Hivôka avy akao an-davagny amin-tàtra zareo; ho avy amin-tàtra akeo Aminao zareo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatàtra noho Anao. 18 Iza no Andriamanitra ôtra Anao, Anao ze mangala fahotana, Anao ze mandalo ambonin'ny heloky ny sisa tavela am'lovanao? Tsy mitàna ny fahasosenao mandrakizay Anao, satria tènao ny maneho ny famindram-ponao aminay. 19 Haforaigna Anao ndre zahay; hagnitsaka an'reo helokay akao ambany tongotrao Anao. Hanary ny otanay daôly akao am'reo lalign'ny ranomasina Anao. 20 Hagnome ny marina ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Anao, ôtran'ny nifantanao tam'reo razambenay tam'reo andro talôha.