Faha 5

1 Am'zao miaraha tonga akao am'filaharan'ady, ry zanakavavin'reo maramila; efa nametraka tovon-tany magnodidigna ny tanàna reo maramila, am'tsora-kakazo no hamilesany ny mpitsaran'ny Israely akeo am'tareny. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "miaraka tonga am'filaharan'ady", reo mpandika teny sanagny mandika hoe: "Tapao ny tegnanareo", manondro ny fanompôn-tsampin'ny fiteten-tegna raha mivavaka am'reo sampy. Reo dikan-teny sanagny vavao ihany kô de magnaraka ny dikan-teny talô ze vakina hoe: "Atsangano reo fiarôvanareo.") 2 Nefa anao, ry Betlehema Efrata, na de kely indrindra akeo am'reo fokon'i Joda aza anao, de akao aminao no ivoahan'ny ôlà hankeo Aminà mba hanapaka ny Israely, ze hatram'reo fotôna talôha ny fendohany, ka haharitra mandrakizay. 3 Noho zany de hahafoy an'azy reo Andriamanitra, hatram'fotôna hibotron'ze mihetsi-kibo zazakely, ary ny tavela am'reo anadahiny de hiverigna aigny am'vahôkan'Israely. 4 Hitsangana Izy ary hiambina ny ondry aman'osy amin'ny herin'i Yaveh, am'voninàtran'ny agnaran'i Yaveh Andriamaniny. Hijanona zareo, ary satria ho leibe hatraigny am'faran'ny tany Izy. 5 Ho fiadanantsika Izy. Rafa tonga akao am'tanintsika reo Asyriana, rafa magnano diabe hanohitra an'reo fiarôvana mafintsika zareo, de hitsangana hanohitra an'njareo am'mpiambina ondry fito sy mpitarika valo am'reo ôlà ntsika. 6 Hiambina ny tanin'ny Asyria amin-tsabatra zareo, ary akeo am'fidirana akao am'zany ny tanin'i Nimroda. (Fagnamarihina: Ny lahatsoratra Hebreo de magnano hoe: "Akeo am'fidirana akao am'zany," zany hoe, akeo am'reo vavahadiny. Na zany aza, reo dikan-teny vaovao sanagny de mihevitra fa ny teny Hebreo hafa de noheverina hoe: "Am'sabatra vôtsôka".) Hagnavotra an'ntsika amin'ny Asyriana Izy, rafa tonga akao am'tanintsika zareo, rafa magnano diabe agnatin'ny faritanintsika zareo. 7 Ny sisa tavela am'Jakoba de ho akeo ampovônin'reo vahôka betsaka, sala ny ando avy amin'i Yaveh, sala ny ranon'orana akeo amin'ny àtra-maitso, ze tsy mandigny ôlà, ary tsy mandigny ny zanak'ôlombolena zareo. 8 Ny sisa tavela amin'i Jakoba de ho akeo am'reo firenena, akeo am'reo vahôka betsaka, ôtran'ny liona akeo am'reo biby aigny agn'ala, ôtran'ny liona tanora akeo am'reo andian'ondry. Rafa mamakivaky akao am'reo izy, de hagnosihosy an'reo sy hamotipotika an'reo, ary tsisy ôlà hamonjy an'njareo. 9 Hisandratra hamely an'reo fahavalonao ny tagnanao, ka hamotika an'njareo zany. 10 "Zao no hitranga am'zany andro zany " ozy Yaveh, "Hovonòko akao aminao reo sôvalinao ary hopotehiko reo saretinao. 11 Horavàko reo tanàna akao am'taninao ary harobako ny mandanao daôly. 12 Hopotehiko ny sikisy akao an-tagnanao, ary tsy hanagna mpisikidy ntsony anao. 13 Hopotehiko reo sary sikotrao sy reo tsangam-batonao akao aminao. Tsy hanompo ny asa-tagnanao ntsony anao. 14 Hofongoriko akao aminao reo baon'aserahanao, ary horavàko reo tanànanao. 15 Hagnatanteraka valifaty amin-pahasosena sy fahavignirana akeo am'reo firenena ze tsy nankatò Za."