Faha 4

1 Fa amin'ny andro farany de hiorina akeo am'reo tendrombotra hafa ny tendrombotran'ny tragnon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'reo tanety zany, ary hitalazotra hankaigny am'zany reo vahôka. 2 Hande reo firenena maro ka hagnano hoe: "Ave, ande ntsika hiakatra aigny an-tendrombotran'i Yaveh, aigny an-dragnon'Andriamanitr'i Jakoba. Hampianatra an'ntsika reo fombany Izy, ary hande am'reo lalany ntsika." Fa avy akao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy akao Jerosalema ny tenin'i Yaveh. 3 Hitsara am'reo vahôka maro Izy ary hanapa-kevitra mahakasika an'reo firenena maro alavitra. Hanefy ny sabatr'zareo ho angady zareo ary ny sabôny ho fagnetezana. Tsy hanangana sabatra hifamely ny firenena, na hizatra ho amin'ny ady ntsony. 4 Fa kosa, hametraka ny ôlà tsiraikaraika ambanin'ny vôlobogny sy ambanin'ny kakazon'aviaviny zareo. Tsisy ôlà hampatàtra an'njareo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro ny efa niteny. 5 Fa ny vahôka daôly de mande, ny tsiraikaraika, amin'ny agnaran'ny andriamaniny. Fa ntsika de hande amin'ny agnaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria. 6 "Am'zany andro zany" ozy Yaveh de "Hagnangona ny malemy sy hamory an'reo vôrôka Za, de reo ze nampahoreko. 7 Hataoko ho sisa tavela ny malemy, ary ho firenena matanjaka reo ze vôrôka, ary Za, Yaveh, no hanjaka aminjareo akao an-Tendrombotran'i Ziona, am'zao ary mandrakizay. 8 Ary anao, ry tilikambo fiambesana ny ondry amagn'osy, tanetin'ny zanakavavin'i Ziona__ de ho tonga aminao zany, haverigna ny fanapahanao talôha, de ny fanjakana ze an'ny zanakavavin'i Jerosalema. 9 Am'zao, nagnino no mihiaka mafy anao? Tsisy mpanjaka ma akeo aminao? Maty ma ny mpanolotsaignanao? Zany ma no mahatonga ny fanaitaignana mahazo an'nao sala ny veivavy miteraka? 10 Ôka hanaintaigna ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, sala ny veivavy miteraka. Fa am'zao anao de hivôka ny tanàna, hipetraka akaigny an-tsaha, ary hande aigny Babylona. Aigny no hagnavotana an'nao. Aigny no hagnavotan'i Yaveh an'nao akao an-tagnan'reo fahavalonao. 11 Am'zao mivondrogna hanohitra an'nao reo firenena maro; ozy zareo; 'Ôka ho vôloto izy; ôka ny masontsika hifaly amin'i Ziona.'" 12 Ozy ny mpaminagny: '"Tsy fantatr'zareo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory an'njareo sala ny amboara ho akeo am-pamolôna Izy." 13 Ozy Yaveh: "Mitsangàna ka mivileza, ry zanakavavin'i Ziona, fa hataoko vy ny tandrokao, aray hataoko varagna ny kitronao. Hanorotoro vahôka maro anao. Za hanokana an'reo haregnany tsy ara-drariny ho an'ny tegnako, Yaveh, ny fanagnanjareo ho Anà, le Tompon'ny tany manontolo."