1
Ozy za: "Mitainô am'zao, anareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Tsy aty aminareo ma ny mahatakatra ny fahamarinana?
2
Anareo ze mankahala ny tsara sy tè ny ratsy, anareo ze magnendaka ny hoditr'zareo, ny nofonjareo am'tôlagny__
3
anareo ze mihinana ny nofon'ny ôloko ihany kô, ary magnendaka ny hodiny, manapaka ny tôlagny , ary mamakivaky an'njareo, ôtran'ny hena atao akao am-bilagny, sala ny hena atao akao am'fandrahôn-kena.
4
De hagnantso mafy an'i Yaveh anareo mpanapaka, nefa tsy hamaly an'nareo Izy. Hanitrika ny tavany aminareo Izy am'zany fotôna zany, satria nagnano asa ratsy anareo."
5
Zao no lazain'i Yaveh momba an'reo mpaminagny ze nampirenireny ny ôloko: "Ho an'ze nampihinana an'njareo de hilaza zareo hoe: 'Hisy fagnambinana.' Fa an'ze tsy nagnisy na ino na ino akao am-bavany, de hanomboka hiady aminazy zareo.
6
Noho zany, de ho alina ho an'nareo zany ary tsisy fahitana ho an'nareo; ho maizigna zany mba tsy hagnanôvanareo sikidy. Hilentika am'reo mpaminagny ny masoandro, ary ho maizigna aminjareo ny andro.
7
Ho atao megnatra reo mpahita, ary ho vey hevitra reo mpisikidy. Hanampina ny molony izy daôly, satria tsisy valiny avy aty Aminà."
8
Fa raha aminà, de feno hery noho ny Fagnàn'i Yaveh za, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hagnambara amin'i Jakoba ny helogny, sy amin'Israely ny fahotany.
9
Mitaonô an'zao, anareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpitondra ny taranak'Israely, anareo ze mankahala fahamarinana, sy magnodigna ny ra marina daôly.
10
Manangana an'i Ziona am'rà sy Jerosalema amim-pahotana anareo.
11
Mitsara noho ny kolikoly reo mpitsaranareo, mampianatra noho ny tamby reo mpisorognareo, ary maminagny noho ny vola reo mpaminagninareo. Nefa anareo miankina amin'i Yaveh ka magnano hoe: "Tsy momba an'ntsika ma Yaveh? Ka de tsisy ratsy hahazo an'ntsika."
12
Noho zany, noho anao, de hasaina ôtran'ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho sala ny tanety rakotr'ala ny hambosan'ny tempoly.