1
Ary tonga tam'Jona fanindrôiny ndre ny tenin'i Yaveh nagnano hoe:
2
"Mitsangàna, mandiana mankaigny Ninive, le tanàna geda ary torio aminazy ny hafatra ze andidiko an'nao."
3
Ary de nitsangana Jona ka nankaigny Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive de tanàna geda tokotra raika am'reo lalana telo andro.
4
Nanomboka niditra ny tanàna i Jona tafaran'ny lalana indray andro de nagnantso mafy izy ary niteny hoe: "Ho ravana i Ninive ao agnatin'ny efa polo andro."
5
Nino an'Andriamanitra ny vahôka tao Ninive ary nagnantso fifadian-kanina zareo. Nagnano lamba fisaonana daoly zareo, hatramin'ny geda ka hatramin'ny kely amin-jareo.
6
Vetiketika teo de tonga tam'mpanjakan'i Ninive le vaovao. De nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianany izy, nagnala ny ankanjony boninahiny, ary nanarogna ny tegnany tam'fisaonana, ary nipetraka tamina lavenona.
7
Nandefa fagnambarana izy ary nilaza hoe: "Aketo Ninive amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny ôlo-manan-kajany ôka tsy hisy ôla na biby na aomby na ondry aman'osy hikasika ra. Oka tsy hinana zareo, na hisotro rano.
8
Fa ôka ny biby sy ny ôla hisarogna lamba fisaonana ary ôka zareo hitaraigna mafy amin'Andriamanitra. Oka ny tsiraikaraika zamy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy ny amin'ny hery setra ze akeo an-tagnany.
9
Iza no mahalala? Mety hanegnina ihany Andriamanitra ka hiova hevitra ary hiala amin'ny fahavignirany ka tsy ho ringana tsika."
10
Hitan'Andriamanitra ny nataon-jareo, fa miala tamin'ny lalan-dratsiny zareo. Noho zany de niova hevitra Andriamanitra ny amin'ny famaizana ze nolazainy hataony amin-jareo ka tsy nataony zany.