1
Avy teo de nivavaka tamin'i Yaveh Andriamaniny avy tao ankibon'le hazandrano i Jona.
2
Ozy izy hoe: "Nagnantso an'i Yaveh nagnolôna ny fahorenako za ka namaly ana Izy; avy taigny ankibon'ny fiaignan-tsy hita no nagnatsovako vonjy! De regninao ny feoko.
3
Efa natsipinao taigny amin'ny laligna za, taigny amin'ny farany laligna tamin'ny ranomasina, ary nagnodidigna anà ny herin-dreka, nanafotra anà daôly ny onja ny alon-dranonao.
4
Ozy za hoe: 'Voarôka tsy ho akeo agnolonan'ny masonao za, kanefa de mbôla hitodika hagnatrika ny tempolinao masina.'
5
Nihidy nagnodidigna ana hatraigny amin'vozoko ny rano; ary nagnodidigna anà tokôtra ny laligna; maningotra nagnodidigna ny lôhako ny ahidrano.
6
Nidigna taigny ampotitr'reo tendro-botra za, de nihidy taminà mandrakizay ny tany sy ny hidiny. kanefa mbôla nampiakatra ny aignako tao agnaty lavaka Anao ry Yaveh Andriamanitro.
7
Raha reraka tato agnatiko ny fagnako de nagnantso an'i Yaveh tato antsaignako za de tonga tao Aminao ny vavaka nataoko tao amin'ny tempolinao masina.
8
Reo ze mitaino andriamanitra tsisy varany de magnary ny fahatokinao magnolona an'azy reo.
9
Fa raha ny aminà kosa de hagnano sorogna ho Anao am'reo feo fanoloram-pisaorana za; ho tanteraka ze efa nagnanôvako voady.
10
Avy amin'ny Yaveh ny famonjena!" De niteny tamin'ny hazandrano i Yaveh ary de nalôany taigny amin'ny tany maigna i Jona.