Faha 4

1 Tsy nahafaly an'i Jona zany ka nanjary sosy mafy izy. 2 Noho zany de nivavaka tamin'i Yaveh Jona ary nagnano hoe: "Oh ry Yaveh, tsy zao ma no efa nolazaiko taminao rafa tafaverigna tamin'ny fireneko za? Zany no antony nihitseko volôny sy niezahako nilefa taigny Tarsisy_ satria fantatra fa Andriamanitra manankarem-pahasoavana, maharipo, malaigna ho sosy feno fatokina, ary manegnina amin'ny fandefasana loza Anao. 3 Ka am'zao ary ry Yaveh mitalaho aminao za, alao aminà ny aignako, fa tsara amina ny maty toy zay ho velona." 4 Ozy Yaveh hoe: "Manjary ma zao fahasosenao lôatra zao?" 5 De nivôka ny tanana i Jona ary nipetraka teo amin'ny ilany ambony amin'ny tanàna. Taigny no nagnanovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'zany izy mba hatazagnany an'ze hanjo ny tanàna. 6 Nagnomagna kakazo Yaveh Andriamanitra ka nampaniry an'zany teo ambonin'i Jona hagnalokaloka ny lôhany mba hagnamaivagna ny fahorenany. Tegna faly tokôtra i Jona noho ny am'le kakazo. 7 Saingy nagnomagna kankana Andriamanitra tamin'ny fipoahan'ny masoandro ny amaraigna ampolakeka. Namely ny kakazo zany ka de maigna le kakazo. 8 Ary rafa nitôka ny masoandro ny amaraigna ampolakeka de nagnomagna rivotra mamay avy aigny atsinana Andriamanitra, ka namely ny lôhan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. De nagniry ny hafatesany i Jona. Ozy izy tamin'ny tegnany hoe: "Aleoko maty toy zay ho velona." 9 Ary ozy Andriamanitra tam'Jona: "Mety ma zao hasosenao am'le kakazo zao?" De ozy Jona hoe: "Mety ny fahasoseko, na ho amin'ny fahafatesana aza." 10 Ozy Yaveh hoe: "Nangoraka an'le kakazo anao, ze tsy nambolenao, na nampanirinao. Naniry tao agnatin'ny alina raika zany ary maty tao agnatin'ny alina raika. 11 Salan'zany kô ny Amina, tsy tokony hangoraka an'i Ninive le tanàna gedabe, ze misy vahôka mihoatra ny zato sy roa alina ze tsy mahalala ny fahasamihafana akeo amin'ny tagnana ankavanan'ny tagnana ankaven-jareo sy reo biby fiompy maro ko ma Za?"