Faha 9

1 Nankaigny amin'ny havan-dreniny taigny Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala ary nitare taminjareo sy ny fianakavem-ben'ny ankohonan-dreniny daôly hoe: 2 "Mbô lazao re zao, mba ho regnin'ny mpitarika daôly akao Sekema: 'Ino no tegna manjarey aminareo: managna zanaka fitopolo lahy akeo aminareo Jerobala ka hitondra akeo aminareo, sa ny raika aminareo fôgna no tokony hitondra?' Tsarôvo fa nofo sy iray ra aminareo ihany za." 3 Nikoragna tam'reo mpitarik'i Sekema hoa an'azy reo havan-dreniny, ary nagneky ny hagnaraka an'i Abimeleka zareo, satria de ozy zareo hoe: "Rahalàntsika izy." 4 Namenjareo volafotsy madinika fitopolo avy takao an-dragnon'i Bala-berita izy, ary nampiasain'i Abimeleka hagnakaramana an'reo leilà mpandika lalàna sady sahisahy ratsy ze nagnaraka an'azy zany. 5 Nankaigny an-dragnon'ny rainy taigny Ofra i Abimeleka, ary novony takeo ambonin'ny vato raika reo rahalàny fitopolo, de reo zanak'i Jerobala. Jotama rerika sisa tavela, de le zanak'i Jerobala faralahy, satria nisitrika izy. 6 Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo daôly ka nande ary nagnano an'i Abimeleka ho mpanjaka, takeo agnilan'ny kakazo terebinta ankekin'ny andry ze takaigny Sekema. 7 Rafa nolazainany mikasika an'zany i Jotama, de nande izy ary nitsangana takeo an-tampon'ny tendrombotra Gerizima. Nagnantsoantso izy ka nitare taminjareo hoe: "Taino za, anareo mpitarik'i Sekema, mbô hitainôn'Andriamanitra an'nareo. 8 Indray andro de nivôka ny kakazo mba hagnosotra mpanjaka raika akeo aminjareo. Satria ozy zareo tam'kakazon'oliva hoe: "Mitondrà an'nay." 9 Nefa ozy ny kakazon'oliva taminjareo: "Tokony hafoiko ma ny diloiloko, ze ampiasaina hagnomezan-boninàtra an'reo andriamanitra sy ny ôlombolona, mba hahafahako mande miverigna, ka hitsingevangevagna akaigny amin'ny kakazo hafa fôgna?" 10 Ozy reo kakazo tam'le aviavy: 'Ave ka mitondrà an'nay.' 11 Fa ozy kosa le aviavy tam'reo: 'Tokony hafoiko ma ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako miverigna ka hitsingevangevagna akeo am'reo kakazo hafa kô?' 12 Ozy reo kakazo tam'le vôloboka: 'Ave ka mitondrà an'nay.' 13 Ozy le vôloboka taminjareo hoe: 'Tokony hafoiko ma ny divay vaovaoko, ze mampifaly ny andriamanitra sy ny ôlombolona, ka hiverigna ary hitsingevangevagna akeo am'reo kakazo hafa?' 14 De ozy ny kakazo daôly tam'tsilon-draketa: 'Ave ka mitondrà an'nay.' 15 Ozy ny tsilon-driketa tam'reo kakazo: 'Raha tegna te hagnosotra anà ho mpanjaka akeo aminareo anareo, de ave ary mikarava fiarôvana akeo ambanin'ny aloka. Raha tsy zany, de ôka hivôka avy akao amin'ny tsilon-driketa ny afo ary ôka zany no handoro ny sedera an'i Libanona.' 16 Am'zao fotôna ary, raha nagnano ny marina sy mahitsy anareo, tam'nagnanôvanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nagnano ny tsara momba an'i Jerobala sy ny taranagny, ary raha nagnafay an'azy arak'ze mendrika an'azy anareo__ 17 __ary mihevitra fa niady ho an'nareo ny raiko, nagnano vy very ny aignany, ary namonjy an'nareo tam'tagnan'i Miadiana__ 18 fa am'zao fotôna anareo de efa nitsangana hamely ny tamingan-draiko ary namono an'reo zanagny lahy de ôlà fitopolo, takeo ambony varo raika zany. Ary nataonareo mpanjaka akeo amin'reo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo izy. 19 Raha nagnano ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny taranagny anareo, de tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela an'azy hiravoravo aminareo. 20 Fa raha tsy zany, de ôka hoisy afo hivôka avy akao amin'i Abimeleka ka handoro ny ôlon'i Sekema sy Beta-milo. Ôka hoisy afo hivôka akao am'reo ôlon'i Sekema sy Beta-milo, mbô handoro an'i Abimeleka." 21 Nilefa ka nitsôka i Jotama, ary nande taigny Bera izy. Nipetraka taigny izy satria alavitra an'i Abimeleka rahalàny zany. 22 Nitondra takeo amin'Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka. 23 De nagnandefa fagnà ratsy teo amin'i Abimeleka sy reo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadika ny toky ze nanagnanjareo tamin'i Abimeleka reo mpitarik'i Sekema. 24 Nagnano an'zany Andriamanitra mba ho valifatin'ny herisetra natao tam'reo zanak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho vôtàna ho tompon'antoka reo ôlon'i Sekema satria nagnampy an'azy hamono an'reo rahalàny zareo. 25 Ka de nametraka ôlà handigny teo an-tampon-tanety reo mpitarika mba hahafahanjareo mamely an'azy tampoka, ary noravainjareo daôly reo ze nandalo taminjareo tam'zany lalana zany. Vôtatitra taigny amin'i Abimeleka zany. 26 De tonga niaraka tam'reo havany i Gala zanak'i Ebeda ary nankaigny Sekema. Nanagna fitokisana taminazy ny mpitarik'i Sekema. 27 Nivôka taigny an-tsaha zareo ary nagnangona vôloboka avy takeo am'tanim-bôloboka, ary de nohitsakitsahiny zany. Nagnano firavoravôna tan-dragnon'ny andriamaniny zareo, ze nihinananjareo sy nisotròny, ary nagnozognanjareo an'i Abimeleka. 28 Ozy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: "Iza ma i Abimeleka, ary iza i Sekema, no de tokony hanompo an'azy ntsika? Nga tsy zanak'i Jerobala ma izy? Nga tsy Zebola ma no lefiny? Tompoy ny ôlon'i Hamora, de ny rain'i Sekema zany! Nagnino ntsika no tokony hanompo an'i Abimeleka? 29 Iriko ny mbô ho ambany fifehezako ty vahôka ty! De nalàko i Abimeleka. De nitare tamin'i Abimeleka za hoe: 'Antsôvo ny tafikao daôly.'" 30 Rafa naregny ny tenin'i Gala zanak'i Ebeda daôly i Zebola, manam-boninàtran'ny tanàna, de nisafôka ny hasoseny. 31 Nagnandefa iraka taigny amin'i Abimeleka izy mba hamitahana, nagnano hoe: "Indro, Gala zanak'i Ebeda sy reo havany de ho avy akaigny Sekema, ary magnentana ny tanàna hamely an'nao zareo. 32 Am'zao fotôna ary de aza matory mandritra ny alina, anao sy reo maramila miaraka aminao, ka mognomàgna fanafihana tampoka aigny an-tsaha. 33 Ary amin'ny ampôlakeka, raha vô miposaka ny masoandro, de mifohaza ampôlakeka be ka magnanôva rodom-be akaigny an-tanàna. Rafa mivôka hamely an'nao izy sy reo ôlà miaraka aminazy, de magnanôva an'ze afakao aminjareo." 34 Ka de tsy natory nandritra ny alina i Abimeleka, sy reo leilà daôly ze niaraka taminazy, ary nametraka mpiambina hanafika tampoka hamely an'i Sekema zareo__nizara ho antoko efatra zany. 35 Nivôka i Gala zanak'i Ebeda ary nitsangana teo am'fidirana teo am'vavahadin'ny tanàna. Nivôka avy takeo am'tôrana fisitrifany i Abimeleka sy reo leilà niaraka taminazy. 36 Rafa hitan'i Gala reo leilà, de ozy izy tamin'i Zebola hoe: "Irÿ, misy ôlà midigna avy aigny an-tampon-tanety!" Ozy Zebola taminazy hoe: "Salan'ny ôlà ny fahitanao an'reo aloka akeo an-tanety reo." 37 De nitare ndre i Gala ka nagnano hoe: "Irÿ, misy ôlà midigna akeo ampovônin'ny tany irÿ, ary misy antoko raika tonga avy akeo am'kakazo terebintan'reo mpagnandro." 38 De ozy Zebola taminazy: "Akaiza ary reo teny mieboebonao am'zao fotôna zao, anao le nitare hoe: 'Iza ma i Abimeleka no tokony ho tompointsika?' Nga ma tsy efa nagnamavo an'reo leilà reo anao? Mivoaha zao de zao ka mediva aminjareo." 39 Nivôka i Gla ary nitarika an'reo leilàn'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka zareo. 40 Nagnenjika an'azy i Abimeleka, ary nilefa takeo agnolônany i Gala. Betsaka no lavon'ny ratra mahafaty teo agnolônan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna. 41 Nipetraka taigny Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hiala an'i Sekema i Gala sy reo havany. 42 Ny amaraignanigny de nivôka ankaigny an-tsaha reo vahôkan'i Sekema, ary vôtatitra taigny amin'i Abimeleka zany. 43 Nialaka an'reo vahôkany izy, nizara an'azy reo ho antoko telo, ary nagnomagna fanafihana tampoka taigny an-tsaha zareo. Nitazagna izy ka nahita ny ôlà nivôka avy aigny an-tanàna ary nanafika izy ka nahafaty an'azy reo. 44 Nanafika ary nanampina ny fidirana teo am'vavahadin'ny tanàna i Abimeleka sy reo antoko niaraka taminazy. Reo antoko rôy hafa de nanafika an'reo daôly taigny an-tsaha ary namono an'azy reo. 45 Niady hamely ny tanàna daôly tam'zany tontolo andro zany i Abimeleka. Nambabo ny tanàna izy ary nahafaty an'reo vahôka ze takao am'zany. Narodagny ny mandan'ny tanàna ka nandrarahany sira zany. 46 Rafa nandregny ny momba an'zany reo mpitarika teo am'tilikambon'i Sekema, de niditra tao am'fiarovana mafin'ny tragnon'i El-berita zareo. 47 Nolazaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao am'tilikambon'i Sekema ny mpitarika daôly. 48 Nande niakatra taigny an-tanetin'ny Zalmona i Abimeleka, izy sy reo leilà daôly niaraka taminazy. Nialaka famaky i Abimeleka ary nanapaka rantsan-kakazo. Napetragny teo an-tsorogny zany ary nibaiko an'reo leilà niaraka taminazy izy hoe: "Ze hitanareo ataoko, de mbô atôvo faran'ny ze malaky kô ôtran'ny ze nataoko." 49 Ka de nanapaka rantsan-kakazo ny ôlà daôly ary nagnaraka an'i Abimeleka. Navangongonjareo reo tam'rindrin'ny tilikambo zany ary nodorônjareo, hany ka maty ihany kô ny ôlà daôly tao am'tilikambon'i Sekema, de leilà sy vevavy magnodidigna ny arivo isa zany. 50 De nankaigny Tebeza i Abimeleka, ary nitoby fanjò an'i Tebeza izy ka nambabo an'zany. 51 Kanefa nisy tilikambo mafy tao an-tanàna, ary vakilefa nankao am'zany reo leilà sy vevavy ary reo mpitarika ny tanàna daôly ka nihidy takao. Avy akeo de niakatra taigny an-tafon'le tilikambo zareo. 52 Nankaigny am'le tilikambo i Abimeleka ka niady tam'zany ary niakatra nagnankeky ny varavaran'ny tilikambo izy mba handoro an'azy. 53 Kanefa de nisy vevavy nandatsaka vato fikosem-bary teo am'lôn'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dôny. 54 Avy takeo nagnantso an'le gaondà ze mpitondra ny fedivany maladilady izy, ary nitare taminazy hoe: "Avoahy ny sabatrao de vonoy za, mba tsy hoisy hilaza ny momba anà hoe: 'Vevavy no namono an'azy.'" Ka notrobaran'le gaondà izy, ary maty. 55 Rafa tazagn'reo ôlon'Israely fa maty i Abimeleka, de nody zareo. 56 Ka de namaly faty ny faharatsen'i Abimeleka tam'ze nataony tamin-drainy tamin'ny namonòny an'reo rahalàny fitopolo Andriamanitra. 57 Naverign'Andriamanitra teo am'lônjareo ihany ny faharatsen'reo ôlon'i Sekema ary nanody an'azy reo ny ozogn'i Jotama zanak'i Jerobala.