Faha 18
1
Ozy reo leilàn'i Efraima tamin'i Gideona hoe: "Ino zao ra nataonao taminay zao? Tsy nagnantso anay anao raha nande niady tam'Midiana." Nifamaly mafy taminazy zareo.
2
Ozy izy taminjareo hoe: "Ino ma no vitako am'zao raha oharina aminareo? Nga ma ny fagnangonam-bôlobok'i Efraima tsy tegna tsara mandombolombo ny fitangosam-bôlobok'i Abiezera?
3
Andriamanitra efa nagome fandresena anareo takeo agnatrehan'reo andren'ny Midana__de Oreba sy Zeba! Ino ma no vitako mihôtra an'ze vitanareo? Nilefy ny fahasosenjareo taminazy rafa nitare an'zany izy.
4
Tonga takeo amin'i Jordana i Godeona ary nitsaka an'zany, izy sy reo leilà telonjato ze niaraka taminazy. Disaka lôtra zareo, nefa de mbôla nanohy ny fagninjena ihany.
5
Ozy izy tam'reo ôlà takao Sokota hoe: "Mba ameo mofo reo ôlà magnaraka anà reo, fa tegna disaka lôtra zareo, ary za hagnenjika an'i Zebaga sy Zalamona, mpanjakan'i Midiana.
6
De ozy reo manam-pahefana hoe: "Nga ma akeo am-pelatagnanao ny tagnan'i Zebaha sy Zalmona am'zao fotôna? Nagnino ma no tokony hagnomezanay mofy an'reo maramila?
7
Ozy i Gideona hoe: "Rafa amen'i Yaveh fandresena zahay magnolôna an'i Zebaha sy Zalamona, de ho triariko am'tsilo avy aigny an'efitra sy raketa ny hoditrareo."
8
Niakatra tao izy mbô ankaigny Penoela ary nitare ôtran'zany tamin'ny ôlà takao ihany kô, fa ny ôlà tao Penoela namaly an'azy salan'ny famalin'ny ôlà tao Sokota.
9
Nitare tamin'ny ôlon'i Penoela ihany kô izy nagnano hoe: "Rafa tafaverigna am-pilaminana ndre za, de harodako ty tilikambo ty."
10
Ary niaraka tam'reo maramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalamona, tokony ho leilà dimy arivo sy iray alina eo, ze sisa daôly tam'tafiky ny vahôka avy aigny ambony daôly, satria nisy leilà 120.000 lavo ze vôofana hiady am'sabatra.
11
Niakatra an'le lalan'ny mpipetraka an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy an'reo tafika fahavalo izy, satria tsy nanampo ny fanafiana zareo.
12
Nilefa i Zebaha sy Zalmona, ary raha nagnenjika an'azy reo i Gideona, de vôsambony reo mpanjakan'i Midiana rôy__ i Zebaha sy Zalmona__ ary nampihorohorony ny maramilanjareo daôly.
13
Gideona, zanaka lahin'i Joasy, de niverigna avy taigny amin'ny ady ary nandalo teo am'lalan'i Heresa.
14
Nifanena tamina gaondà raika avy am'mponina tao Sokota izy ary nikaraka toro-hevitra taminazy. Nolazain'le gaondà an'azy ny mombamomba an'reo mpitariky ny Sokota sy reo loholona tao, fito amby fitopolo lahy zareo.
15
Ary tonga tao am'reo leilàn'i Sokota i Gideona ka nagnano hoe: "Indreo Zebaha sy Zalmona, ze nagnesònareo anà sy nilazanareo hoe: 'Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ma anao? Tsy fantatray fa tokony hagnome mofo an'reo maramilanao zahay.'"
16
Nalain'i Gideona reo loholona tao am'le tanàna ary nofaiziny tam'reo tsilo avy taigny an'efitra sy ny raketa reo leilàn'ny Sokota.
17
Avy takeo de narodagny ny tilikambo tao Penoela ary novonòny ny leilà takao am'zany tanàna zany.
18
De ozy Gideona tam'Zebaha sy Zalmona hoe: "Leilà manankôry no novonònareo tao Tabara? Namaly zareo hoe: " Ôtra an'nao ihany zareo. Zareo daôly de salan'ny zanaka mpajaka daôly."
19
De ozy Gideona hoe: "Rahalàko zareo, zanaka lahin'ny reniko. Raha velona kô Yaveh, raha namonjy anjareo ho velona anareo, de tsy namono an'nareo za.
20
Ozy izy tamin'i Jatera (leilà vôlôny) hoe: "Mitsangàna ary vonò zareo!" Fa le gaondà tsy nampitsôka ny sabatrany fa natàtra, satria mbôla zaza leilà kely izy.
21
De ozy Zebaha sy Zalmona hoe: "Mitsangàna anao ary vonò zahay! Fa araka ny toetry ny ôlà fôgna ny heriny." Nitsangana Gideona ary namono an'i Zebaha sy Zalmona. Nalàny kô ny firavaka sarim-bolan-tsinana ze teo amin'ny atoky ny ramevanjareo.
22
Ozy ny leilàn'ny Israely tamin'i Gideona hoe: "Manapaha anay__ anao, ny zanakao lahy, ary ny zafikelinao lahy__ satria anao no nagnavotra anay teo am'tagnan'i Midiana."
23
Ozy Gideona taminjareo hoe: "Tsy hitondra anareo za, na ny zanako lahy kô aza de tsy hitondra anareo. Fa Yaveh no hitondra anareo.
24
Nilaza taminjareo i Gideona hoe: " Ôka za hagnano fangatahana aminareo: de ny hagnomezanareo anà an'reo kavina avy niravainy." (Nanagna kavina volamena reo Midianitra satria Isimaelita zareo.)
25
Namaly zareo hoe: "An-kafalena no hagnomezanay an'reo an'nao". Namelatra lamba zareo ary samy nanipy ny firavaka avy noravainy ny leilà daôly.
26
Ny lanjan'ny kavim-bolamena ze nangatahiny de sekely volamena fitonjato sy arivo. Zany fandravana zany de niampy ny firavaka sarim-bola-tsinana, reo firavaka, ny akanjo volomparasy ze nagnanôvan'reo mpanjakan'ny Midiana, ary niampy ny rojo ze nagnodidigna ny hatoky ny ramevanjareo.
27
Nagnambôtra efoda avy tam'reo kavigna i Gideona ary napetragny tao an-tanànany, tao Ofra zany, ary nampijagajanga ny tegnany tam'fanompôna an'zany teo ny Israely daôly. Nanjary fandrika ho an'i Gideona sy ho an'reo ze tao an-dragnony zany.
28
Ka de resy teo agnatrehan'ny vahôkan'Israely reo Midiana ary tsy naharina ny lônjareo ntsony zareo. Ary nilamina nandritra ny efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
29
Jerobala, zanaka lahin'i Joasy, nande ka nipetraka takao an-dragnony.
30
Nanagna zanaka fitopolo lahy ze taranagny i Gideona, satria maro vady izy.
31
Ny vadikeliny, ze tao Sekema, de niteraka zazalahy taminazy kô, ary Gideona nagnome an'azy ny agnarana hoe: Abimeleka.
32
Gideona, zanaka lahin'i Joasy, de maty rafa tratra antitra tsara ary nalevigna takao Ofra takao am'fasan'i Joasy rainy, fokon'ny Abiezrita.
33
Ary raha vô maty i Gideona, niverigna ndre reo zanak'Israely ary nampijangajanga ny tegnany tam'fanompoana an'reo Bala. Nataonjareo ho andriamanigny i Bala-berita.
34
Ary ny vahôkan'Israely de tsy nahatsiaro ny hagnome voninàtra an'i Yaveh, Andriamanitr'zareo, ze nagnavotra anjareo teo am'tagnan'reo fahavalony magnodidigna daôly.
35
Tsy nitandrina ny fampagnantignany tam'tragnon'i Jerobala (na Gideona) zareo, mba ho valin'ny tsara daôly nataony tamin'Israely.