Faha 10

1 Tafaran'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, leilà avy aigny Isakara ze nipetraka taigny Samira, taigny am'tanetin'ny Efraima, nitsangana mba hagnafaka an'Israely. 2 Nitsara ny Israely nandritra ny telo amby rôpolo taona izy. Maty izy ary nalevigna taigny Samira. 3 Nidimbiasan'i Jaira le Gileadita izy. Nitsara ny Israely nandritra ny roa amby rôpolo taona izy. 4 Nanan-janaka telopolo lahy ze nitikina boriky telopolo izy, ary nanagna tanàna telopolo zareo, ze antsovina hoe Havota-jaira mandrak'gniany, taigny am'tanin'i Gileada zareo. 5 Maty i Jaira ary nalevigna taigny Kamona. 6 Nagnampy ny ratsy ze nataonjareo tamason'i Yaveh ny vahôkan'Israely ary nanompo an'reo Bala, reo Astarta, reo andriamanitr'i Arama, reo andriamanitr'i Sidona, reo andriamanitr'i Moaba, reo andrimanitry ny vahôkan'i Amona, ary reo andriamanitr'i Filistina. Niala tamin'i Yaveh zareo ary tsy nanompo an'Azy ntsony. 7 Nisafôka tamin'Israely ny hasosen'i Yaveh, ary namidiny tan-tagnan'reo Filistina sy tan-tagnan'reo Amonita zareo. 8 Namotika sy nampahory ny vahôkan'Israely zareo tam'zany taona zany, ary nampahorenjareo nandritry ny valo ambefolo taona ny vahôkan'Israely daôly ze taigny andafin'i Jordana taigny am'tanin'reo Amorita, ze aigny Gileada. 9 Ary de nitsaka an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny taranak'i Efraima reo Amorita, mba hampijaly mafy an'Israely. 10 De nagnantso mafy an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, nagnano hoe: "Efa nagnota taminao zahay, satria nandôsa ny Andriamanitray zahay ary nanompo an'reo Bala." 11 De ozy Yaveh tam'vahôkan'Israely: "Tsy nagnafaka an'nareo tam'reo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12 ary kô tam'reo Sidoniana ma Za? Nampahory an'nareo reo Amalekita sy reo Maonita; de nagnantso mafy Anà anareo, ary nafahako tamin'ny herinjareo anareo. 13 De mbôla nandôsa Anà ndre anareo ary nanompo an'reo andriamani-kafa. Noho zany, tsy hagnampy ny fotôna hagnafahako an'nareo Za. 14 Mandiana ary antsovo mafy reo andriamanitra ze notompoinareo. Avilao zareo hagnavotra an'nareo rafa misy olagna mahazo anareo." 15 Ozy reo vahôkan'Israely tamin'i Yaveh: "Nagnota zahay. Atôvo aminay na ino na ino mety tsara Aminao ka hataonao aminay. Fa kosa, mbô avoty re zahay am'ty andro ty". 16 De nangala an'reo andriamanitra tsy izy takeo aminjareo zareo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy zakan'i Yaveh ntsony ny fahoren'Israely. 17 De niara-nivory reo Amonita ary nanangana toby takao Gileada. De niara-tonga reo Israelita ary nananga ny tobiny taigny Mizpa. 18 Reo mpitarika ny vahôkan'i Gileada nifampikoragna hoe: "Iza ma le leilà ze hanomboka hiady am'reo Amonita? Hanjary mpiatarika an'reo daôly ze nipetraka taigny Gileada izy."