Faha 11

1 Ary Jefta le Gileadita de mpiady mahery, kanefa de zanaka mpivaro-tegna izy. Gileada no rainy. 2 Niteraka an'reo zanagny lahy hafa kô ny vadin'i Gileada. Rafa geda ny zanaky ny vadiny, de niterenjareo hiala ny tragno i Jefta sady nilaza taminazy hoe: "Tsy handova na ino ino avy am'fianakavenay anao. Zanaky ny vevavy hafa anao." 3 Noho zany de nilefa an'reo rahalàny Jefta ary nipetraka taigny am'tanin'i Toba. Nisy leilà tsy mpagnara-dalàna nagnantogna an'azy ka tonga zareo ary nande niaraka taminazy. 4 Andro vitsy taty afara, de niady tamin'Israely ny vahôkan'i Amona. 5 Rafa niady tamin'Israely ny vahôkan'i Amona, de tonga nitondra an'i Jefta avy aigny am'tanin'i Toba hiverigna reo lôhôlon'i Gileada. 6 Ozy zareo tamin'i Jefta hoe: "Ave ary meteza ho mpitarika an'nay mba hahazaônay miady am'vahôkan'i Amona." 7 Ozy Jefta tam'reo mpitarika an'i Gileada hoe: "Nankahala anà anareo ary nanery anà handôsa ny tragnon-draiko. 8 Nagnino ma anareo am'zao fotôna no mankaty aminà rafa akao agnatin'ny olagna?" Ozy reo lôhôlon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Zany no antony hitodenay aminao am'zao ; andao hiaraka aminay ary hiady am'vahôkan'i Amona, ka ho tonga mpitarika am'ze daôly mipetraka akao Gileada anao." 9 Ozy Jefta tam'reo lôhôlon'i Gileada hoe: "Raha ndesinao mody mba hiady am'vahôkan'i Amona ndre za, ary raha amen'i Yaveh fandresena ntsika, de ho mpitarika an'nareo za." 10 De ozy reo lôhôlon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona akeo amintsika sy anao raha tsy magnano araka ze lazaintsika ntsika!" 11 Noho zany de lasana niaraka tam'reo lôhôlon'i Gileada i Jefta, ary nataon'ny vahôka ho mpitarika sy mpibaiko anjareo izy. Rafa tagnatrehan'i Yaveh taigny Mizpa izy, de namerigna an'reo fampagnantignana daôly nataony i Jefta. 12 Avy akeo Jefta nagniraka mpitondra hafatra ho an'ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, milaza hoe: "Ino ma ty ady aketo amintsika ty? Nagnino ma anao no tonga tamin-kery hiaka ny taninay?" 13 De namaly an'le mpitondra hafatr'i Jefta le mpanjakan'ny vahôkan'ny Amona hoe: "Satria tam'vahôkan'Israely niala avy taigny Egypta, de nalainjareo ny taniko hatraigny Armona ka hatraigny Jaboka, ka hatraigny Jordana. Am'zao fotôna zao aviregno am-pilaminana reo tany reo." 14 De nagnandefa mpitondra hafatra hankaigny am'le mpanjakan'ny vahôkan'i Amona ndre i Jefta, 15 ary ozy izy hoe: "Zao no ambaran'i Jefta: 'Tsy nalain'Israely ny tanin'i Moaba sy ny tanin'ny vahôkan'i Amona, 16 fa niakatra avy taigny Egypta zareo, ary Israely nande namakivaky ny efitra nankaigny am'Ranomasina Mena sy taigny Kadesa.'" 17 Rafa nagnandefa mpitondra hafatra ho aigny am'mpanjakan'i Edoma i Israely, nagnano hoe: 'Miangavy re mba avilao zahay handalo akeo am'taninareo,' de tsy nitaino ny mpanjakan'i Edoma. Nagnandefa mpitondra hafatra taigny am'mpanjakan'i Moaba ihany kô zareo, fa nandà izy. Noho zany de nijanona tao Kadesa ny Israely. 18 De nande taigny an'efitra zareo ary nivily an'le tanin'i Edoma sy ny tanin'i Moaba, ka nande nagnaraka ny morogny ambony am'tany Moaba ary nitoby takao amin'ny ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nande nankaigny am'faritanin'i Moaba zareo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona. 19 Ary Israely nagnandefa mpitondra hafatra taigny amin'i Sihona, mpanjakan'reo Amorita, ze nitondra taigny Hesbona; ozy Israely taminazy hoe: 'Miangavy, avilao zahay mba hitsaka amin'ny taninao mankaigny am'tôrana ze anay.' 20 Kanefa tsy nahatoky an'Israely hitsaka ny faritaniny i Sihona. Noho zany de nangonin'i Sihona ny maramilany daôly ary nafindrany taigny Jahaza zany, ary taigny izy no niady tamin'Israely. 21 Ary Yaveh, Le Andriamanitr'i Israely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahôany daôly tam-pelatagnan'i Israely ka resiny zareo. Noho zany de nalain'Israely ny tanin'reo Amorita daôly ze nipetraka tao am'zany firenena zany. 22 Nalainjareo daôly ny ra daôly takao am'faritanin'reo Amorita hatraigny Arnona ka hatraigny Jaboka, ary hatraigny an'efitra ka hatraigny Jordana. 23 Ary tafaran'zay Yaveh, Le Andriamanitr'Israely, de nandrôka an'reo Amorita takeo agnatrahan'i Israely vahôkany, ka tokony hiaka ny taninjareo ho fanagnana ma anao am'zao? 24 Ngah ma tsy hiaka ny tany ze namen'i Kemosy, andriamanitrao ho an'nao ma anao? Noho zany na ino na ino tany amen'i Yaveh Andriamanintsika antsika, de ho alaintsika. 25 Ka tsara noho i Balaka zanaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ma anao? Sahy niady hevitra tamin'Israely ma izy? Sahy nanangan'ady taminjareo ma izy? 26 Rafa nipetraka nandritra ny telonjato taona taigny Hesbona sy reo zana-bohitrany i Israely, ary taigny Aroera sy reo zana-bohitrany, sy taigny am'reo tanàna daôly ze ankaigny amoron'i Arnona__Ka nagnino ma anareo no tsy nitondra an'azy reo niverigna tam'zany fotôna zany? 27 Tsy nagnano ratsy an'nareo za, fa anareo kosa magnano ratsy anà am'fanafihana anà. Yaveh, Le Mpitsara, no hanapa-kevitra gniany ny am'vahôkan'i Israely sy ny vahôkan'i Amona." 28 Nefa tsy niraharaha ny fampitandremana ze nalefan'i Jefta taigny aminazy ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona. 29 Avy akeo tonga tao amin'i Jefta ny Fagnàn'i Yaveh, ka nandalo an'i Gileada sy Manase izy, de nandalo an'i Mizpa akaigny Gileada, ary avy akao Mizpa an'i Gileada izy de nandalo ny vahôkan'i Amona. 30 Nagnano voady tamin'i Yaveha i Jefta ary nagnano hoe: "Raha amenao fandresena akeo am'vahôkan'i Amona za, 31 de na ino na ino mivôka ny varavaran'ny tragnoko mba hitsena anà rafa mivergna am-piadanana avy akaigny am'vahôkan'i Amona za, de ameko an'i Yaveh, ary hatolotro ho fagnatitra dorôna zany." 32 Ary de nandalo takeo am'vahôkan'i Amona i Jefta mba hiady hamely anjareo, ary namen'i Yaveh an'azy ny fandresena. 33 Nanafika anjareo izy ary nahatonga famonoana be takeo Aerora ka hatraigny Minita__tanàna rôpolo__ka hatraigny Abelakeramina. Ka de takao ambany fifehezan'ny vahôkan'Israely ny vahôkan'i Amona. 34 Tonga tao an-dragnony taigny Mizpa i Jefta, ary nivôka avy takao ny zanagny vavy mbô hitsaiza an'azy amin'ny apongatapaka sy dihy. Izy rerika ihany no zanagny, ary ankôtran'azy de tsy nanagna zanaka leilà na veivavy izy. 35 Raha vô nahita an'azy izy, de norovitiny ny akanjony ary ozy izy hoe: "De nagnino eky! Ry zanako vavy! Notorotoroninao tamin'alahelo za, ary anao de nanjary nampidi-pahorena anà! Satria nifànta tamin'i Yaveh za, ka de tsy afaka miverigna am'fampagnantignako." 36 Ozy izy taminazy hoe: "Ry raiko, nagnano voady tamin'i Yaveh anao, atôvy aminà ny ra daôly nampagnantignanao, satria efa namaly faty an'reo fahavalonao, de reo Amorita i Yaveh." 37 De ozy ndre izy tamin-drainy hoe: "Ôka ho tananao ho anà zany fampagnantigana zany. Avilao ho rerika mandritra ny rôy volana za, mba hahafahako mandôsa ka mande midigna mankaigny am'reo tanety ary hitomagneko ny maha-virijiny anà, za sy ny fangoraham-poko." 38 Ozy izy hoe: "Mandiana." Nalefany nandritra ny roa volana izy. De nandôsa an'azy ny gaombavy, izy sy ny fangoraha-pony, ka nitomagny ny maha-virijiny an'azy taigny an-tanety ambo. 39 Rafa vita ny roa volana de niverigna taigny am'rainy izy, ze nagnano taminazy araka ny voady fampagnantignana ze nataony. Ary tsy mbôla niara-mandry tamin'ny leilà izy, ka nanjary fomba fanao isan-taona takao Israely 40 fa hamerigna hitantra an'zany tantaran'ny zanaka vavin'i Jefta le Gileada zany, mandritra ny efatr'andro, reo zanaka vavin'Israely.