Faha 12
1
Nisy antso tonga ho an'reo leilàn'i Efraima; namakivaky an'i Zafona zareo sady nitare tamin'i Jefta hoe: "Nagnino anao no nande hiady am'vahôkan'ny Amona ary tsy magnantso an'nay hiaraka aminao? Hodorônay anao sy ny tragnonao."
2
Ozy i Jefta taminjareo hoe: "Za sy ny vahôkako de nifanditra be tam'reo vahôkan'i Amona. Tam'nagnantso an'nao za, de tsy namonjy anà takeo aminjareo anao.
3
Rafa hitako fa tsy namonjy anà anao, de napetrako tam'tanjako daôly ny fiaignako ary namakivaky ny vahôkan'i Amona za, ka namen'i Yaveh anà ny fandresena. Nagnino ma anao no tonga hiady aminay am'zao?
4
Nampivorin'i Jefta niaraka ny leilà daôly tao Gileada ka niady tamin'i Efraima izy. Nanafika an'reo leilàn'i Efraima reo leilàn'i Gileada satria ozy zareo hoe: "Anareo Gileadita de mpilefa aigny Efraima__ akao Efraima sy Manase."
5
Nosamborin'reo Gileadita reo fitsakàn'i Jordana mankaigny Efraima. Raha misy am'reo sisa velona mitare hoe: "Avilao za hitsaka ny renirano," de hitare an'azy reo leilàn'i Gileada hoe: "Efraimita ma anao?" Raha mamaly izy hoe: "Tsia"
6
de hiteny aminazy zareo hoe: "Taravo hoe: Shiboleta," ary raha mitare izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanognona an'le teny mazava izy), de hosamborin'reo Gileada izy ary hovonoina eo am'fitsakàn'i Jordana. Roa arivo sy efatra alina reo Efraimita novonoina tam'zany fotôna zany.
7
Niasa ôtran'ny mpitsara nagnerana an'i Israely nandritra ny enina taona i Jefta. Avy akeo de maty i Jefta le Gileadita ary nalevigna takao am'raika am'reo tanànan'ny Gileada.
8
Tafarany, de i Ibzana avy akao Betlehema no niasa ho mpitsara an'i Israely.
9
Nanagna zanaka lahy telopolo izy. Nahafoy zanaka vavy telopolo hampakarina izy, ary nitondra an'reo zanaka vavy telopolo an'ny leilà hafa avy aigny ivelagny ho an'ny zanany lahy izy. Nitsara an'i Israely nandritra ny fito taona izy.
10
Maty Ibzana ary nalevigna takao Betlehema.
11
Tafarany de i Elona le Zebolonita no niasa ôtran'ny mpitsara an'Israely. Nitsara an'Israely nandritra ny folo taona izy.
12
Maty i Elona le Zebolonita ary nalevigna takao Aialona taigny am'tanin'i Zebolona.
13
Nagnaraka an'azy, de i Abdona zanaka lahin'i Elela le Piratonita no niasa ôtran'ny mpitsara an'Israely.
14
Nanagna zanaka lahy efapolo izy ary zafikely lahy teloplo. Nitikina ampondra fitopolo zareo. Ary nitsara an'Israely nandritra ny valo taona izy.
15
Maty i Abdona zanaka lahin'i Elela le Piratonita ary nalevigna takao Piratona taigny am'tanin'i Efraima tany ambon'ny firenen'reo Amalekita.