Faha 13

1 Nagnano ratsy takeo amason'i Yaveh ndre ny vahôkan'i Israely, ka natolony takeo an-tagnan'reo Filistina nandritra ny efapolo taona zareo. 2 Nisy leilà raika avy akaigny Zora, avy am'fianakaven'reo Danita, Manoa no agnarany. Tsy afaka nitondra ivagna ny vadiny ka de tsy niteraka izy. 3 Nibôgna tamin-draveivavy ny anjelin'i Yaveh ka nagnano hoe: "Am'zao, tsy afaka nitondra ivagna anao, ary tsy niteraka, nefa hitondra ivagna anao ary hiteraka zaza lahy. 4 Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana ra maloto. 5 Indro, hitondra ivagna anao ary hiteraka zaza lahy. Tsisy hareza ampesaina am'lôny, satria Nazarita ho an'Andriamanitra hatraigny agnaty kibo ny zaza, ary izy no hanomboka hagnafaka ny Israely akeo an-tagnan'reo Filistina." 6 Ary tonga raveivavy ka nitare tam'vadiny hoe: "Nisy leilàn'Andriamanitra tonga taminà, ary ôtran'ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana an'azy, tegna mampatàtra. Tsy nagnontany an'azy ze neveny za, ary tsy nilaza taminà ny agnarany izy. 7 De ozy izy taminà hoe: "Indro! Hitondra ivagna anao, ary hiteraka zaza leilà. Ka noho zany de aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana hahanina ze ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny zaza de ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka am'fotôna maha akao agnaty kibo an'azy ka hatramin'ny andro hahafatesany." 8 De nivavaka tamin'i Yaveh i Manoa ka nagnano hoe: "Tompo ô, mba avilao le leilàn'Andriamanitra nirahinao hiverigna aminay ndre mba hampenarany an'nay ze tokony ataonay am'zaza ze ho teraka tsy ho ela." 9 Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-draveivavy ndre ny anjelin' Adriamanitra raha nentotra takaigny an-tsaha izy. Nefa tsy niaraka taminazy i Manoa vadiny. 10 Ka nihazakazaka mafy raveivavy ary nilaza ny vadiny hoe: "Indro! Nibôgna taminà le leilà__le tonga taminà indray andro igny!" 11 De nitsanga i Manoa ka nagnaraka ny vadiny. Rafa tonga takeo am'le leilà izy, de ozy izy hoe: "Anao ma le leilà nikoragna tam'vadiko?" De ozy raleilà hoe: "Za no izy." 12 Ka de ozy i Manoa hoe: "Am'zao ho tanteraka anie reo teninao. Ino no ho fitsipika ho an'le zaza, ary ino ho asany?" 13 Ozy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hagnano am-pitandremana ny ra-daôly ze nolazaiko taminazy izy. 14 Tsy afaka mihinana na ino na ino ze avy am'vôloboka izy ary aza avela misotro divay na zava-pisotro mahery; aza avela mihinana hahanina ze ambaran'ny lalàna fa maloto izy. Tokony hankatò ny ra daôly nandidiko an'azy ho ataony izy." 15 Ozy i Manoa tam'le anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanòna kelikely ma, mba hagnome fotôna an'nay hikarakarana zanak'osy ho an'nao." 16 Ozy le anjelin'i Yaveh tam'Manoa hoe: "Na de hijanona aza za, de tsy hihinana ny hahaninao mihitsy. Fa raha manomagna fagnatitra dorôna anao, de atolory ho an'i Yaveh zany." (Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.) 17 De ozy i Manoa tam'le anjelin'i Yaveh hoe: "Iza no agnaranao, mba hahafahanay magnome voninàtra an'nao rafa tanteraka reo teninao?" 18 De ozy le anjelin'i Yaveh taminazy hoe: "Nagnino no magnontany ny agnarako anao? Mahafinaritra zany!" 19 Ary nalain'i Manoa niaraka tam'fagnatitra hohanina ny zanak'osy ka natolony takeo ambony vatolampy ho an'i Yaveh reo. Nagnano ra mampitam-bava izy raha igny nijery igny i Manoa sy ny vadiny. 20 Rafa niakatra avy takeo amin'ny alitara nankaigny an-dagnitra ny lelan'afo, de niakatra takao agnatin'ny lelan'afon'ny alitara le anjelin'i Yaveh. Nahita an'zany i Manoa sy ny vadiny ary nampekoka ny lônjareo tam'tany. 21 Tsy nibôgna tam'Manoa sy ny vadiny ntsony le anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy. 22 Ozy i Manoa tam'vadiny hoe: "Ho foaty atsika, satria nibôgna tamintsika Andriamanitra!" 23 Nefa ozy ny vadiny taminazy hoe: "Raha te hamono an'ntsika Andriamanitra, de tsy nandray ny fagnatitra dorôna sy ny fagnatitra hohanina nomentsika an'azy Izy. Tsy tokony nampibôgna an'ntsika an'regny ra daôly regny Izy, na namela an'ntsika haregny ra ôtran'zany am'zao fotôna zao." 24 Taty afara de niteraka zaza lahy raveivavy, ary nataony hoe Samsona ny agnarany. Nihageda ny zaza ary nitahy an'azy i Yaveh. 25 Nanomboka nagnetsika an'azy takaigny Mahana-dana ny Fagnàn'Andriamanitra, takeo agnelagnelagn'i Zora sy Estaola.