Faha 9

1 Fa mieritreritra ny momba an'zany daôly ze tan-tsaignako za mba hahatakatra momba ny ôlo-marina sy ny ôlon-kendry ary ny asanjareo. Akeo am-pelatagnan'Andriamanitra daôly izy reo. Tsisy na iza na iza mahafantatra na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ôlà raika. 2 Mitovy ny lahatry ny ôlà isanisany. Mitovy ny lahatra mandigny ny ôlo-marina sy ny ôlà ratsy fagna, ny tsara, (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny am'zao fotôna zao de mandika ny dikan-teny ze magnano hoe: "Ny tsara sy ny ratsy." Feno tanteraka ny fehezanteny, am'zany. Reo mpandika teny de mety hanapa-kevitra ny hila tahaka.) ny madio sy ny maloto, ary ze magnano sorogna sy ze tsy magnano sorogna. Ho foaty ny ôlo-marina, de ho ôtra ny zany ihany kô ny mpagnota. Ho foaty ze mifanta, de ho sahalan'zany kô ny ôlà ze matàtra magnano fifantana 3 Misy lahatra ratsy ho an'ny ra daôly ze atao aketo ambany masoandro, lahatra raika ho an'ny tsiraikaraika. Feno ratsy no fon'ôlombelona, ary akao am-aponjareo ny fahadalana raha mbôla velona kô zareo. Ka afaran'zany de mankaigny am' maty zareo. 4 Ze daôly miombogna am' velona daôly, de misy fagnantenàna, sahala ny mahatsara kokô ny ambô velona noho ny liona maty. (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara de magnano hoe: "Fa ino no tsara? Ho an'ny velona daôly, de zao no azo antoka: ny ambô velona de tsara kokô noho ny liona maty.") 5 Fa ny ôlombelona de mahafantatra fa ho foaty zareo, fa ny maty tsy mahafantatra na ino na ino. Tsy managna valisoa ntsony zareo, satria efa hadino ny fahatsarôvana an'njareo. 6 Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fagnirinjareo de efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanagna tôrana am' ra daôly ze atao aty ambany masoandro ntsony zareo. 7 Mandiana am' lalanao, hohano am-pifalena ny mofonao, ary sotroy am'fo faly ny divainao, satria Andriamanitra de magneky ny fankalazàna an'reo asa tsara. 8 Ôka ho fotsy lalandava ny akanjonao, ary ôka ho vôhosotra amin'ny menaka ny lônao. 9 Miaignà am-pifalena miaraka am' vady tènao amin'ny androm-piaignanao daôly mandalo fôgna, de reo andro ze namen'Andriamanitra an'nao taigny ambany masoandro mandritra an'reo andronao mandalo fôgna. Zany no valisoanao am' fiaignana nohon'reo asanao taigny ambany masoandro. 10 Na ino na ino azon'ny tagnanao ho atao, de hiasa amin'ny herinao zany satria tsisy asa na fagnazavana na fahalalana na fahendrena aigny am' Fiaignan-tsy hita, ze handihananao. 11 Efa nahita ra sasantsasagny mahalina takeo ambany masoandro za: Ny hazakazaka de tsy an'ny ôlà malaky fandihanana. Ny ady de tsy an'ny matanjaka. Ny mofo de tsy an'ny ôlon-kendry. Ny harena de tsy an'ny ôlon'ny fahazavan-tsaigna. Ny sitraka de tsy an'ny ôlon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotôna sy ny vintagna de mentreka amin'izy daôly. 12 Fa tsisy na iza na iza mahafantatra ny fotôna hafatesany, sahala ny hazan-drano ze takatra akao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na ôtra ny vorogna ze azon'ny fandrika. Sahala an'reo biby, ny ôlombelona de gadra akao am' fotôn-dratsy ze tonga tampoka amin-jareo. 13 Efa nahita fahendrena takeo ambany masoandro ihany kô za ôtra ny hoe leibe taminà zany. 14 Nisy tanàna kely raika ze vitsy ôlà takao aminazy, ary nisy mpanjaka leibe tonga nagnano fahirano an'zany ary nagnorina tôrana fekarana gedabe takeo agnilan'zany. 15 Ary nisy mahantra raika, leilà hendry hita takao am'le tanàna, ze nagnavotra an'le tanàna tam' fahendreny. Nefa taty afara kely, de tsisy nahatsiaro io leilà mahantra io ntsony. 16 Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokô ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinotsino ny fahendren'le ôlo-mahantra, ary tsy regny reo teniny." 17 Ny teny malefaky ny hendry de regny tsara kokô noho ny fitrerogn'ze mpanapaka akeo amin'ny adala. 18 Ny fahendrena de tsara kokô noho reo fitaovam-pedena amin'ny ady, kanefa ny mpagnota raika de mety handrava betsaka.