Faha 8

1 Iza no ôlon-kendry? Iza no mahafantatra ny dikan'reo ra-miseho akeo am' fiaignana? Ny fahendrena akeo amin'ny ôlà de mahatonga ny tareny miramiragna, ary miova ny hamafin'ny tareny. 2 Magnatoro hevitra an'nao za mba hankatô ny didin'ny mpanjaka noho ny fifantan'Andriamanitra hiaro an'azy. 3 Aza malaigna am' fagnatrena an'azy, ary aza mifikitra am' fangnanaovan-dratsy, satria mpanjaka magnano ze daôly iriny. 4 Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hitare aminazy hoe: "Ino ty ataonao?" 5 Reo ze mitandrina an'reo didin'ny mpanjaka de mangala hasosena. Ny fon'ny ôlon-kendry de mahafantatra ny fahendrena sy ny fotôna tsara hihetsehana. 6 Fa misy valiny marina sy fotôna hamelana ny ra daôly, satria mafy reo fahoren'ôlombelona. 7 Tsisy mahafantatra ze ho avy magnaraka. Iza no afaka hilaza aminazy ze ho avy? 8 Tsisy mpanapaka am' fofon'aignany ka hampijanona ny fofon'aigna, (Fagnamarihina: Ny dikan-teny sasagny magnano hoe: Tsisy mpanapaka am' rivotra ka hampijanona ny rivotra.) ary tsisy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsisy afaka am' tafika mandritra ny ady, ary ny faharatsena de tsy hamonjy an'reo ze andevozin'zany. 9 Nahafantatra an'zany daôly zany za; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara daôly ze natao taty ambany masoandro za. Misy ny fotôna ze hampahoren'ny ôlà ny hafa am' ratran'zany. (Fagnamarihina: Ny dikan-teny sasagny taty afara magnano hoe: "Ho an'ny ratrany ihany!" Ny andalan-teny hebreo de azo adika am'reo rôy reo) 10 Ka hitako ny ratsy fagna nalevigna am-pahibemaso. Nalaina tam' faritra masina zareo ka nalevigna ary noderain'reo mponina takao am' tanàna ze nagnanaovanjareo ny asa ratsiny. Zany ko de tsisy varany. (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara de managna fandikana hafa kô amin'io andininy sarotra io: "Nahita ôlà ratsy fagna tonga sy lasana ho akeo am' fitôrana masina za. Nitare tam-pireharehana takeo am' tanàna momba an'reo ra efa nataonjareo, zany ihany kô de tsisy varany ." Reo dikan-teny hafa magnano hoe: "Nahita an'reo ôlà ratsy fagna tonga sy lasana ho akeo amin'ny tôrana masina za. Noderaina takeo an-tanàna zareo tam'reo ra vitany. Zany ihany kô de tsisy varany.) 11 Raha tsy tanteraka malaky ny didim-pitsarana hanoitra ny heloka be vava ratsy, de mitôma ny fon'ôlombelona hagnano ratsy zany. 12 Na de magnano ratsy in-jato aza ny mpagnota ary mbôla ela velona, de fantatro fa tsy agnino reo ze magnaja an'Andriamanitra, ze magnome voninàtra ny fagnatreny miaraka aminjareo zany. 13 Fa tsy ho tsara ny an'ny ôlà ratsy fagna zany, tsy haharitra ny fiaignany. Reo androny de sala talinjogna mandalo satria tsy magnome voninàtra an'Andriamanitra izy. 14 Mbôla misy zava-pôgna hafa - ra-hafa vita taty ambonin'ny tany. Reo ra mitranga amin'ny ôlo-marina de sahala ny fitrangan'reo amin'ôlà ratsy fagna, ary sahala ny itrangan'reo ra am' ratsy fagna no itrangan'zany amin'ôlo-marina. Ozy za hoe zava-pôgna ihany kô zany. 15 Ka mitaky ny hafalena za, satria tsisy ra tsara azon'ôlà aty ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. De ny hafalena no hagnaraka an'azy aigny amin'ny asany amin'ny androm-piaignany daôly ze namen'Andriamanitra an'azy ambany masoandro. 16 Raha namefy ny foko hahafantatra ny fahendrena za sy hahafantatra ny asa ze atao aketo ambonin'ny tany, de vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny antoandro matetika ny asa, 17 de nandinika an'reo asan'Andriamanitra daôly za, ary ny ôlà de tsy afaka hahatakatra ny asa ze vita teto ambany masoandro. Na de miasa sahala ny ino aza ny ôlà mba hahita valiny, de tsy hahita an'zany zareo. Na mety hino aza ny ôlon-kendry fa mahafantatra, de tsy tegna mahafantatra aby izy.