Faha 7

1 Ny laza tsara de tsara mandombolombo ny ranomagnitra lafo vidy, ary ny andro ahafatesana de tsara mandombolombo ny andro haterahana. 2 Tsara kokô ny mande aigny am'tragno misy fisaonana noho ny aigny amin'ny tragno misy fifalena satria ny fisaonana de tonga amin' ôlà daôly am' faran'ny fiaignana, ka tokon'ny raisin'ôlà velona am-po zany. 3 Tsara kokô ny alahelo noho ny fimemezana, fa afaran'ny endrika malahelo no hiaven'ny hafalen'ny fo. 4 Ny fon'ny hendry de akao an-dragno misy fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa akao an-dragno misy fifalena. 5 Tsara kokô no mitaino ny fibedesan'ny hendry noho ny mitaino ny hiran'reo adala. 6 Fa sahala ny fipôpôkan'ny tsilo miretra ambany vilagny, de ôtra ny zany kô ny fimemezan'reo adala. Zany , ihany kô, de zava-pôgna 7 Ny fangalana an-keriny de azo antoka fa mahalasana adala ny hendry, ary ny kolikoly mandratra ny fo 8 Tsara kokô ny fiafaran'ny raharaha raika noho ny fendoany; ary ny ôlà maharitra am-pagna de tsara kokô noho ny mirehareha am-pagna. 9 Aza mora sosy ny fagnanao, satria ny hasosona de mitoetra akao am-pon'reo adala. 10 Aza mitare hoe: "Nagnino ny andro talô no tsara kokô noho ny reto?" Fa zany de tsy noho ny fahendrena raha magnontany an'io fagnontanena io anao. 11 Ny fahendrena de tsara noho reo ra-sarobidy ze nolovaintsika avy tam'reo razantsika. Mitondra ho an'reo ze mahita ny masoandro izany. 12 Fa ny fahendrena de mitondra fiarôvana ôtra ny vola ze afaka mitondra fiarôvana, nefa ny tombon-tsoan'ny fahalalana de ny hoe magnome fiaignana ho an'ze managna an'azy ny fahendrena. 13 Saigno reo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hagnitsy ny ra daôly namelohany? 14 Raha tsara ny andro, de miaigna am-pifalena am'zany hatsaràna zany, fa raha ratsy ny andro, de saigno ny momba an'ty: Andriamanitra de efa nambela an'izy rôy hiaraka. Noho zany antony zany, de tsisy mpahita ny ra daôly ze mitranga aty afarany. 15 Efa natazagna ra betsaka za nandritra an'reo andro keliko tsisy varany. Misy reo ôlo-marina ze levona na de akeo aza ny fahamarinanjareo, ary misy reo ôlà ratsy fagna ze ela velona na de akeo aza ny haratsenjareo. 16 Aza magnamarin-tegna, hendry akeo amasonao. Nagnino no tokony hanimba ny tegnanao anao? 17 Aza ratsy fagna na medaladala lôtra. Nagnino anao no tokony ho foaty melôn'ny fotôna? 18 Tsara raha mitana an'io fahendrena io anao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana hande. Fa ny ôlà ze matàtra an'Andriamanitra de hatanteraka an'reo adidiny daôly. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Hahita an'reo adidiny daôly", misy am'reo dikan-teny taty afara sasagny managna fandikàna hafa an'ty andalan-tsoratra sarotra ty) 19 Mahery ny fahendrena akao amin'ny ôlon-kendry, mandombolombo noho ny mpanapaka folo akao am'tanàna raika. 20 Tsisy ôlo-marina magnano soa sy tsy mbôla nagnota zany mihitsy aketo an-tany. 21 Aza mitaino ny teny daôly ze vôlaza, satria mety handregny ny mpanomponao hagnozogna an'nao anao. 22 Ôtran'zany kô, fantatrao ihany fa efa nagnozona matetika ny hafa takao am-ponao ihany anao 23 Reo daôly reo de efa vôporofoko tam'fahendrena. Ozy za hoe: "Ho hendry za," nefa mihôtra ny tokony ho izy zany. 24 Ny fahendrena de alavitra sy laligna. Iza no afaka hahita an'zany? 25 Nagnova ny foko mba hianatra sy handinika ary hikaroka ny fahendrena sy reo fagnazavana ny ra-misy za, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny adalana de fahavirezan-tsaigna. 26 Hitako fa mangidy kokô noho ny fahafatesana ny veivavy ze feno fandrika sy harato ny fony, gadra vy ny tagnany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra de ho afaka aminazy, fa reo mpagnota kosa ho lasany 27 "Saigno ze efa hitako", ozy ny Mpitoriteny. "Nagnampy valim-pikarohana raika tamin'ny hafa za mba hahita fagnazavana ny ra-misy. 28 Zany no mbôla karôko, nefa tsy hitako zany. Mba nahita ôlo-marina raika takeo amin'ny arivo za, nefa tsy nahita veivavy raika tam'reo daôly reo 29 Ty ihany no efa hitako: fa Andriamanitra de namotona ny ôlombelona ho mahitsy, nefa nande nikaroka fahasahiranana betsaka zareo"