Faha 6

1 Misy ratsy ze efa hitako takeo ambany masoandro, ary mafy ho an'ny ôlà zany. 2 Mety hagnome fanagnana, harena, ary voninàtra amin'ny ôlà raika Andriamanitra mba tsy ho ory na ino na ino am'ze irìny ho an'ny tegnany izy, kanefa tsy amen'Andriamanitra fahafahana ankafy an'zany. Fa kosa, ôlon-kafa no mampiasa an'reo ra an'azy. Zava-pôgna zany, fampahorena ratsy. 3 Raha misy leilà managna zanaka an-jatony sy miaigna taona maro, mba ho maro ny andron'reo taonany, fa raha tsy afa-po am' tsara ny fony ary tsy halevigna am-boninàtra izy, de ozy za hoe ny zaza maty takeo am-pahaterana de tsara kokô noho izy. 4 Na de teraka am' zava-pôgna aza ny zaza sala an'zany ary maty akao amin'ny haizigna, ary mitoetra fanafina ny agnarany. 5 Na de tsy mahita ny masoandro aza io zaza io na tsy mahafantatra na ino na ino, de managna fitsaharana mihôtra noho zany leilà zany izy. 6 Na de ho velona roarivo taona aza ny ôlà nefa tsy mianatra mankafy an' reo ra tsara, de mande aigny am'tôrana mitovy amin'ny an'ôlà hafa daôly ihany izy. 7 Ny asan'ny ôlà daôly de ho an'ny vavany, nefa tsy mbôla afa-po amin'ny finanany. 8 Eny tokô, ino no tombon-tsoa anagnan'ôlà hendry amin'ny adala? Ino no tombon-tsoa hanagnan'ny mahantra na de mahafantatra ny fomba fihetsika magnolôna ny ôlon-kafa aza izy? 9 Tsara kokô no afa-po am'ze hitan'maso noho ny magniry ze karan'ny homana mandende, ze entona sy handrana hanoherana rivotra ihany kô. 10 Ze ra nisy de efa namena ny agnarany, ary efa fantatra hoe ôtra ny ino ny ôlombelona. Noho zany de nanjary tsisy varany ny mifamaly am'ze mpitsara maherin'ny daôly. 11 Arakaraka ny habetsaky ny teny vôlaza, no hitomboan'ny zava-pôgna, ka ino no tombon-tsoan'zany amin'ôlà? 12 Fa iza no mahafantatra ze tsara ho an'ny ôlà akeo am'fiaignany mandalo, andro voaisa ze hiaignany ôtra ny aloka? Iza no afaka milaza amin'ny ôlà ny am'ze ho avy aigny ambany masoandro rafa avy mandalo izy?